Rotsirotry
janvier 29, 2008
by Avylavitra
Filed under Langue (Mg), Environnement
Nandalo teny aho omaly (Rotsirotsy Andravoahangy akaikin’ny EPP) dia toy izao no zava-msiy. Efa nisy fanamboarana izy io fa dia asa na ny ataon’ny mponina no tsy manjary ka manentsina ny dalles, na ny mpivarotra amoron-dàlana sy ny mpandalo manipy sachets sy tavoahangy platika anaty tatatra no mahatonga ny toy izao. Jereo anie e! Efa rano nihena aza io nalaiko sary io fa raha ilay vao milatsaka iny ny orana dia posy no andehanana eo sy andalovana eo anoloan’ny banky BOA Andravoahangy, izay tsy lavitra eo fa miala 50 m miankavanana amin’ny sary. Ny mahazo ny mponin’i Besarety sy Mahavoky moa dia tsy lazaina intsony.




License
Su on mar, 29th jan 2008 8:08
Mahakivy mihitsy ilay fomban’ny olona sasany manipy loto sy fako eny an-dalana sy anaty canal ireny.Manontany tena ianao indraindray hoe mba rahoviana ihany vao mba hieritreritra izy ireny.
Tattum on mer, 30th jan 2008 9:08
Kay!tsy efa fako aman-tonnes no manentsina toa izao?! sa dia hoe kely dia kely ny canal sy ny dalles..
Dia azo an-tsaina ny arentina sy ny manjo @ zao.. Misaotra mizara sary, mbola hafa no mahita maso.
Tattum on jeu, 31st jan 2008 11:36
Qui se propose pour la revue des blogs de janvier ô?Edit: merci à Ikalakely
Helisoa on lun, 3rd mar 2008 22:35
Mamangy,
marina fa misy manary fako tokoa eny an-dàlam-be sy anaty dalles !
Ary zava-nisy io hatr’izay ary hita mitranga any amin’ny TANY HAFA koa, fa tsy fahita any Madagascar irery IHANY - raha vao misy malotoloto ny toerana dia toa manasa ny olona handoto izany!
Ny azoko lazaina mba tsy ahakivy antsika dia TSY NY OLONA no TENA MAHATONGA ITONY RANOBE TONDRAKA eny an-dàlam-be itony !
Fa ny RANON-DRIAKA (EAUX DE RUISSELLEMENT) miaro FAKO sy ZAVA-MARO NORAOFINY TENY AN-DALANA (COLLUVIONS ALLUVIONS DECHETS DOMESTIQUES)!
Ny mampiavaka an’i Madagasikara dia ny TANY (SOLS EPAIS SANS PROTECTION VEGETALE) MATEVINA AZON’NY RIAKA ENTINA satria tsy MISY MITANA!
Rahefa vita ny hain-tany, ny ranon’orana voalohany in-dray milatsaka anefa dia oram-baratra be mitovy
amin’ny latsaka anaty iray volana !
Koa io ranobe tonga eo amin’ny tany maina ngazana io no tena ratsy satria TSY MIDITRA ANY ANATY TANY (INFILTRATION) fa mikoriana ka mandavaka sy mitondra izay andalovany.
Io no mahatonga ny BUSES de RECEPTION des EAUX DE RUISSELLEMENT any amin’ny TANANA rehetra any Madagasikara ho feno haingana satria TSENTSINA amin’ny tany entin-driaka !
Ary mila Buses goavana be sy fitaovana mécanique manala haingana ny tsentsina raha vao avy ny oram-baratra.
Izany anefa dia mila famolavolana lalina satria vola be tokoa no mametraka azy !
Mirary soa,
Helisoa