Non classé

Adihevitra misokatra

Miarahaba antsika indray.

Ireto misy fiteny roa arosoko ho antsika eto amin’ny Malagasy Miray mba hanehoanareo ny hevitrareo momba azy. Samia mba manome ny heviny momba ny hoe « Tsy milaza ny marina » sy ny hoe « Mandainga ».

Omeo izay itoviany sy izay tena mampiavaka azy roa. Dia mazotoa ary e!

Rehefa mahita izay lazainareo aho vao mba handroso ny efa ahy manokana an! Dia mampitovy eo isika.

Technicien réseau

12 commentaires

  • nante9

    Samy lainga fa tsy mitovy ny hitsaran’Andriamanitra azy, hihihi, vazivazy iray an-dalana.
    Ny « tsy milaza ny marina » dia mitranga rehefa mahalala ny marina ianao ka minia mandiso sao hanohina ny olona handray ilay marina saronanao. Misy marina kely ihany izany fa namboarimboarina ao anatin’io.
    Ny « mandainga » dia rehefa tsy tianao ahafantatra mihitsy ilay olona, eo enao izany de tena tsy misy na dia marina kely fotsiny aza ao anatin’ilay lazainao.
    Izay ny hevitro fa sao lasa any amin’ny afobe eo aho lol.

  • news2dago

    raha ny hevitro manokana aloha dia ny oe « tsy milaza ny marina » dia manamboambotra ny zavatra tokony ho lazaina e!zany oe zavamisy tena mitranga kanefa dia avilinao ny fahamarinany!
    fa ny mandainga kosa dia mamorona mihitsy ny tsy misy ka mitantara azy oe misy!
    ka asa ny hevitry ny sasany indray fa io alo ny fahatakarako azy e!

  • jentilisa

    Ny tsy milaza ny marina rehefa mangina fotsiny, tsy miteny eo anatrehan’ny zavatra iray. Ny mandainga kosa miteny zavatra hafa tsy mifanaraka amin’ny zavatra nitranga akory

  • Avylavitra

    Ilay lazain’i Jentilisa no hitako ho manakaiky ny hevitro. Izany hoe « Ny tsy milaza ny marina dia izay minia manidy ny vavany tsy hiteny mihitsy. Fa raha vao misokatra ny vavanao kanefa tsy ilay tena marina tokony nolazaina no noteneninao dia efa LAINGA izay », na namboamboarina, na nodisoina tanteraka, na nosaronana. Sa ahoana hoy ianareo?

  • Dotmg

    Ho ahy dia hoe « Aoka ny teninareo ho Eny, Eny; Tsia, tsia », izany hoe mitovy ihany ny tsy milaza ny marina sy ny mandainga, toy ny mahasahala ny mangalatra atody sy ny mangalatra omby, na koa ny mindran-javatra nefa tsy namerina tamin’ny fotoana ny nifanarahana.

    Hoy ny Ntaolo: « Ny marina rehetra tsy filaza », ary misy ny tranga izay lasa adidy ny manafina ny marina. Ohatra: manafina olona tsara fanahy izay misy mitady hisompatra ianao, dia na tsy milaza ny misy azy (na fantatrao aza izany), na milaza zava-diso ka olona lasa nianatsimo lazaina fa niatsinanana. Mitovy ihany ireo, samy mandainga, fa io no atao hoe « Lainga masina ». Ny fanazavana azy dia hoe tsy voatery ho ratsy foana akory ny mandainga, fa rehefa hanaovan-tsoa izy dia madio ny eritreritra, na ny nanafina ny marina no natao na ny nilaza zava-diso.

    Voambolana iray tsy hitako teto koa ny atao hoe « Fitaka ». Io mantsy no mampiravina ny atao hoe « Tsy milaza ny marina » sy ny « mandainga », satria rehefa lasa diso ny fandraisan’ny mpihaino ny zavatra lazainao dia izay no atao hoe mamitaka; na marina avokoa aza no nolazaina fa ny fomba nilazana azy no mahadiso ny fihainon’ny olona. Ohatra: Mpanao politika mampiely hevitra milaza hoe: « Afaka omena fiara 4L iray isam-pianakaviana isika Malagasy ». Dia raha toa ny fihainon’ny olona an’izay dia hoe « homena 4L isam-pianakaviana hono isika », dia fitaka no ilazana izay teny izay, satria ny fanatanterahana azy tsy amin’ny fomba tsotra toy ny nilazana azy.

  • trinitty

    Amiko dia mitovy ireo fiteny roa ireo: samy tsy filazana ny tena marina daholo. Araky ny tenin’i DotMg hoe misy ny atao hoe « lainga masina » dia amiko ny « tsy filazana ny marina » dia anisany. Ary ny « fandaingana » dia tsy misy fiolankolanana mihitsy fa tonga dia manodina ny tena fitranga-javatra tsotra zao fotsiny …

  • Tattum

    Amiko arakaraka ilay fomba fijerena azy.
    Izany hoe mety misy maha marina azy izay lazainao, fa tsy marina tanteraka.
    Ohatra hoe milaza ianao hoe nisy olona arivo tonga t@ fetinao, nefa zato monja izareo. Izany hoe tsy mandainga ianao milaza hoe be olona tonga, fa ilay atao hoe « be » no tsy marina. Fa ireo nanatrika ihany no mahafantatra an’izany. Dia izareo ihany no mahalala hoe mandainga ianao. Ny sasany mety hoe maty lolo fotsiny nefa tsy marina akory. 🙂

    Fa mbola hafa ihany no tsy mamitaka sy tsy manambaka e!

  • Avylavitra

    Dotmg> misy marina ilay larainao amin’ilay hoe manafina mba hanaovan-tsoa. Saingy tsy mbola maha resy lahatra ahy satria raha te-hanafina olona misy mitady hisompatra ohatra aho, dia izao no mety hambarako ilay mitady: »Tsy misy idirako ny aferanareo fa tadiavo any izy dia alamino any ny anareo ». Miala tsiny raha somary tsotsotra be ilay fanazavako fa na ilay fanafangaroana ny teny hoe « lainga masina » aza dia mampisalasala be ahy. Manontany tena aho hoe: « Afaka miaraka ve ny « fahamasinana » sy ny « fandaingàna »? Ekeko tokoa ilay hoe « ny marina rehetra tsy filaza ». Io ilay tsy milaza ny marina (ndeha hataontsika hoe « izay mangina volamena »), ka manome valin-teny tsy momba ny atsy sy ny aroa toy ilay ohatra nomeko ery ambony. Sady tsy nanoro ny misy ilay olona aho amin’izay no tsy nilaza toerana diso amin’ilay nitady azy koa. Diso ve aho?

  • Dotmg

    Miala tsiny raha valiny amin’ny fisainana kristianina no omeko, fa inoako fa afaka miditra angamba eto ny ara-pivavahana satria resaka mahakasika ny fahamasinana no resahina. Ilay ohatra nalaiko io dia ohatra tao amin’ny Baiboly kristianina, tany amin’ny fanekena vaovao tany.

    Josoa 2. Fanavotana ain’olona no antony namitahan’ilay vehivavy janga ny mpiray firenena aminy, ka nanafenany ny Isiraelita izay olona hanafika ny tanànany aza. Tsy azony natao teo ny hilaza hoe tsy misy idirako izany raharahanareo izany, mba andramo ange ny mamaly pôlisy hoe izaho tsy hamaly, raha manadihady anao izy, fa tsy hamelany ianao raha tsy milaza ny marina, na milaza lainga.

    Ny tohin’ny tantara (Josoa 6. 25) dia nisaina ho fahamarinan’ilay vehivavy janga io fihetsiny io, ka tsy niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra teo amin’ny tanàna izy.

  • Avylavitra

    Tena izay aho vao tsy nahita ho lazaina fa misaotra amin’ny tari-dàlana. Izany tokoa no hoe ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Mamerina fisaorana.

  • Dotmg

    Miditra mametraka azo atao hoe fehin’ny hevitro aho mba tsy hampivaona ny zavatra lazaiko ka sao misy olona hafa sendra mitsidika mandray ny hevitro hoe indraindray ve sitrak’Andriamanitra ny mandainga. Ny valiny dia TSIA, ratsy ny mandainga, saingy ratsy mitovy amin’izay ihany koa ny manafina ny marina. Amiko dia ny fisainana hoe nanao ny marina aho satria tsy nandainga fa nanafina ny marina fotsiny; io fisainana io no misy diso. Azo lazaina izany hoe indraindray dia « fatalité » ho antsika olombelona ny manao zavatra tsy masina. Na hiodin-kavia na hiodin-kavanana tsy maintsy manota foana, satria tsy Andriamanitra isika, ary mbola eto an-tany rahateo, koa raha amin’ny fiezahana hanao ny marina no eritreretintsika fa hanamarinana antsika dia tsy ho voamarina isika.

    Ny zava-dehibe kosa anefa ao anatin’izany dia ny fieritreretana. Na mandainga aza ianao, kanefa ny fieritreretanao tsy manameloka ny tenanao fa mahatsapa hoe izay no làlana mety indrindra tamin’ny safidy rehetra, dia izay no zava-dehibe. Tsy azo ianteherana ny hoe « Izaho anie olombelona ka mora solafaka » rehefa nandainga ohatra. Tsara, ary ilaina ny miaiky ny tsy mety natao rehefa tonga amin’ny fotoana mahamety azy, nefa ny atao rehetra tokony ho vita fisainana lalina ary amin’ny fieritreretana madio.

    Misaotra tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.