Resaka be amin’izao fotoana ny fampiasana ireo voambolana teknika isan-karazany izay tsy dia nahazatra ireo mpitantana malagasy. Anisan’ireny voambolana izay fandre matetika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy fitantanana ireny ny « benchmark » teny iray izay manambara fa ny soa sy ny traik’efan’ny hafa alaina ho an’ny tena.

Raha hiresaka fampivoarana dia miverina matetika ato an-tsaina ny fivoarana sy fandrosoan’ireo firenena matanjaka toa ny japoney (masoandro miposaka io!) na ry zareo alemàna (rain’ny boto e!). Mahavariana ny saina ny hoe nahoana moa ireo firenena ireo izay efa nalavon’ny ady no lasa laitra ary anisan’ny ohatra velona amin’ny kalitao sy ny fanarahan-dalàna na fanrahana ny sori-dalana no marina kokoa.

Raha resaka teknolojia fotsiny no resahina ohatra dia maro ny olona no mankafy ny vita avy any amin’ireo tany ireo na dia efamihatsara ihany koa aza anefa ny vita sinoa sy ny vita indianina. Raha izay vita frantsay na firenena miteny frantsay aloha amin’izao dia tsy manana ny toerany teo aloha intsony raha tena tsorina ny resaka.

Mifanontany tena ny samy malagasy rehefa mandinika eo hoe toa ny ankamaroan’ny firenena nozanahan’ny firenena anglisy dia mivoatra lavitra noho ireo firenena nozanahan’ny frantsay. Resaka statistika fotsiny sa tena misy mampitombona azy ny fahitana izany?

Raha iverenana ohatra ny japoney sy ny alemana dia anisan’ny firenena manaraka ny fepetra ifampifehezan’ny fiarahamonina na discipline ry zareo. Ary io no tiana isarihana hatrany ny saina satria dia raha ny malagasy dia kanto sy meva eo amin’ny famoronana fa rehefa hamokatra maromaro na ara-indostrialy dia very ilay kalitao nalefa ho ohatra. Dia tsy maintsy ho toy izay foana ve?