Traikefan’ny fanatontoloana
janvier 7, 2008
by Mitiyu
Filed under Société, Langue (Mg), Identité, Développement
Resaka be amin’izao fotoana ny fampiasana ireo voambolana teknika isan-karazany izay tsy dia nahazatra ireo mpitantana malagasy. Anisan’ireny voambolana izay fandre matetika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy fitantanana ireny ny “benchmark” teny iray izay manambara fa ny soa sy ny traik’efan’ny hafa alaina ho an’ny tena.
Raha hiresaka fampivoarana dia miverina matetika ato an-tsaina ny fivoarana sy fandrosoan’ireo firenena matanjaka toa ny japoney (masoandro miposaka io!) na ry zareo alemàna (rain’ny boto e!). Mahavariana ny saina ny hoe nahoana moa ireo firenena ireo izay efa nalavon’ny ady no lasa laitra ary anisan’ny ohatra velona amin’ny kalitao sy ny fanarahan-dalàna na fanrahana ny sori-dalana no marina kokoa.
Raha resaka teknolojia fotsiny no resahina ohatra dia maro ny olona no mankafy ny vita avy any amin’ireo tany ireo na dia efamihatsara ihany koa aza anefa ny vita sinoa sy ny vita indianina. Raha izay vita frantsay na firenena miteny frantsay aloha amin’izao dia tsy manana ny toerany teo aloha intsony raha tena tsorina ny resaka.
Mifanontany tena ny samy malagasy rehefa mandinika eo hoe toa ny ankamaroan’ny firenena nozanahan’ny firenena anglisy dia mivoatra lavitra noho ireo firenena nozanahan’ny frantsay. Resaka statistika fotsiny sa tena misy mampitombona azy ny fahitana izany?
Raha iverenana ohatra ny japoney sy ny alemana dia anisan’ny firenena manaraka ny fepetra ifampifehezan’ny fiarahamonina na discipline ry zareo. Ary io no tiana isarihana hatrany ny saina satria dia raha ny malagasy dia kanto sy meva eo amin’ny famoronana fa rehefa hamokatra maromaro na ara-indostrialy dia very ilay kalitao nalefa ho ohatra. Dia tsy maintsy ho toy izay foana ve?
No Tags

License
Rajiosy on lun, 7th jan 2008 21:42
nisy nandefa vava tany ho any hoe raha Zimbabwe sy ny Kenya aloha dia toa tsy mahovoka tato ho ato. ampiako ny sierra leone sy ny liberia ?
Dotmg on mar, 8th jan 2008 6:19
Fanatontoloana no fiteny sa fanontoloana e?
Jereo eto (ho an’izay mbola tsy nahita)
http://hatsiklo.pedia.ws/wiki/Fanontoloana
jentilisa on mar, 8th jan 2008 7:17
Ary inona ry Dotmg ny dikan’ilay hatsiklo? izay aho vao nahita ny dikan’io fanotoloana io an!
Dotmg on mar, 8th jan 2008 7:34
Ny hatsiklopedia dia endrika malagasy-n’ny Uncyclopedia
http://mg.wikipedia.org/wiki/Uncyclopedia
Ny sehatra pedia.ws efa nisy, desciclo.pedia.ws ho an’ny Uncyclopedia portiogey, hiki.pedia.ws ho an’ny Suomi, dia nony namorona ny sehatra uncyclopedia ho an’ny fiteny malagasy dia ny teny hatsiklopedia no noraisina (fanambarana ny hatsikana sy ny hoe encyclopedia), fa nony natao nom de domaine dia nosarahina ho hatsiklo.pedia.ws
jentilisa on lun, 14th jan 2008 11:26
Hitako moa no misy vazivazy kely eny ho eny e!
Helisoa on mar, 4th mar 2008 14:01
Traikefan’ny fanatontoloana - Identité et Développement
Mamangy,
Kalitao, fanatontoloana, fepetra ifampifehezan’ny fiarahamonina sns…
Aza adinoina fa nahazo sazy ireo Japoney sy alemana TSY AFAKA NIFAMPIRAHARAHA TANTERAKA TAMIN’IZAO TONTOLO IZAO raha vao vita ny ady lehibe faha-2 !
I japanina moa dia noraisin-dry Be kintana ho eo ambany sy miaraka fifehy amin-dry zareo koa dia tonga dia nisavoana ny fivoarana tany amin-dry zareo: nisy ny vola enti-manana e ! Ny fifehezan-tena ny tsiray iray dia efa nisy sy mbola mitoetra ao amin-dry zareo !
I alemana kosa dia nitombona tao amin-dry zareo foana NY FIFEHEZAN-TENA na dia nozaraina 2 aza ny Fireneny ! Koa vao nianjera ny “mur de Berlin” dia NISAVOANA NY FANDROSOANA TANY AMIN-DRY ZAREO !
Izaho manokana dia milaza fa “NY FIRENENA NAHARESY TAMIN’INY ADY LEHIBE FAHA-2 INY DIA NY alemana SY japoney” !
Jereo fotsiny ny zava-mitranga eo anivon’ny FANATONTOLOANA !
Ho antsika Firenena vao misondrotra (raha toa ka avela hisondrotra) dia:
NY FIFEHEZAN-TENA EO ANIVON’NY TSIRAIRAY sy NY FIVONDRONANA izay mahatonga ny Firenena ho Firenena no ilaintsika !
DISCIPLINE INDIVIDUELLE=>DISCIPLINE DE GROUPE=>DISCIPLINE DU CLAN=>DISCIPLINE AU NIVEAU DE LA SOCIETE CIVIL
Helisoa on mar, 4th mar 2008 14:36
Tohiny - Azafady fa nisy voatsindry ny milina !
Traikefan’ny fanatontoloana - Identité et Développement / SOLUTION MALGACHE : LE FOKONOLONA
SOCIETE CIVILE izay hananantsika malagasy hatrin’ny fahagola dia ny FOKONOLONA !
Io FOKONOLONA io no HARENA MALAGASY izay anisany nalaina tamin’ny fiainatsika !
Koa tsy manana ANDRY IANTEHERANA intsony isika momba ny fivoarana
*Nous Malgaches, nous sommes démunis de nos repères de développement dont l’essentiel et fondamental: LA SOCIETE CIVILE TRADITIONNELLE DE TOUTE L’ÎLE DE MADAGASCAR qui est le FOKONOLONA !
C’est la base politique de gestion, de raliement, de défense, d’ordre de la société malgache !
Dans le cadre de la mondialisation, toutes les nations actuelles se tournent vers une nouvelle notion “LA SOCIETE CIVILE” alors que chez nous à Madagascar, on l’a bani, rayer de la vie quotidienne, de la gestion de l’Etat etc… ! Ironie du sort ! Il ne manquera pas d’ETRANGER SAVANT qui aura l’idée grandiose de le remettre en route en parlant des côtés positifs du FOKONOLONA en politique etc… Comme si les Malgaches étaient nuls de ce côté là ! Et l’on fera semblant de redécouvrir ou de remetttre en route une nouvelle FOKONOLONA A LA MONDIALE ! Qui vivra, verra !*
Io fokonolona izay nalaina tamintsika malagasy sy ny fiainam-pirenena malagasy io no ILAINTSIKA AVERINA satria io no anisany maha-malagasy ny Malagasy:
- Amin’ny alàlan’ny FOKONOLONA no
1/ Hiraisan’ny olona HINA manao zavatra MIARAKA na MIFANAMPY amin’ny atao hoe VALIN’ASA, VALIN-TANANA (entr’aide, solidarité)
2/ Anatin’ireo asa ataony ny fokonolona no MIFANARAKA MANAO NY FANDRINDRANA NY FOTOANA FIASANA, FAMPIDIRAN-DRANO AMIN’ny TANIM-BARY (mise au point de calendrier de gestions des terrains à travailler, calendrier de travaux: travail des terres, gestion des eaux, gestion des travailleurs, des matériels: boeufs pour piétiner etc…
3/ Eo ny mpiray monina no afaka milaza sy mifanakalo hevitra mba hanasoa ny firaisa-monina ka afaka MAMPITA IZANY AMIN’NY MPISOLOVAVA ka TONGA ANY AMBONY INDRINDRA NY ZAVATRA ILAIN’NY TANTSAHA sy IREO TENA MIASA HO AN’NY firenena !
NOSOMBAINA NY FOKONOLONA
Maro ireo zavatra nataon’ny fokonolona sy ny antony ilaina ny fokonolona no NOSIMBANA satria NOVAINA : natao fitaovana HAMPIHATRA NY TENY MIDINA TSY MISY fifanakalozana tamin’ny mpiray monina mihintsy koa dia mora no nanimba sy nanafoana ny fokonolona !
HANATRA HO ENTINA MIERITRERITRA HO AN’NY FIRENENA MALAGASY
No izany rehetra izany na misy FIFEHEZAN-TENA aza eo anivontsika Malgasy tsirairay sy anivon’ny Nosy manontolo kanefa NY ZAVATRA TENA HIAINANA sy ILAIN’ireo miasa isan’andro TSY MISY na TSY ANATY NY TETIK’ASA VOALOHANY (projets prioritaires de l’Etat) eo anivon’ny Firenena dia ZAVA-POANA ny atao rehetra
* Même avec toute la discipline qu’il faut tant au niveau personnel qu’au niveau de la nation Malgache, si les besoins impératifs de la société civile pour la gestion des biens, la sécurité, la santé etc… ne figurent pas au niveau de la PRIORITE NATIONALE mais sont relégués au profit des désiratats de la mondialisation personnifiée par la Boanque mondiale et la FMI etc.. TOUT EST ET SERA VOUE A L’ECHEC !)
COURAGE à TOUS !
Mahereza daholo !
Veloma masina
Olga HELISOA