Lost in translation
14 décembre 2007 by Lova
Les statistiques de Malagasy Miray montrent que 96 billets sont écrits en français, 26 en Malgache et 6 en anglais. Nous attendons avec impatience le premier billet sur MM qui ne sera pas écrit dans l’une des 3 langues officielles de Madagascar
.
Hélas, il sera aussi indispensabe de demander à l’auteur de traduire le contenu de ce post tant que les traducteurs automatiques ne seront pas optimisés ( le seront-ils-jamais ?).
L’importance d’optimiser la traduction automatique est un débat qui a mobilisé un grand nombre d’experts et qui pose aussi des questions complexes auxquelles je ne peux répondre. Alors je voudrais saluer ici le boulot remarquable que les bloggers de Global Voices amin’ny teny Malagasy accomplissent au quotidien. On attend aussi avec impatience le retour de tsipelana malagasy que Dotmg avait crée et qui etait indispensable aux ignorants comme moi pour vérifier notre orthographe en malgache.
Traduire avec fidélité un article est un challenge plutôt ardu.
.
Je pense que tout le monde est d’accord pour dire que plus un article à traduire est long, plus la personnalité et la sensibilité du traducteur va transparaitre dans la traduction finale.
Il est plus ou moins acquis dans la communauté les traducteurs de blog que tant que l’idée générale de l’auteur est respectée, les variations sur un même thème seront inévitables.
Illustrons par un petit jeu la difficulté de traduire :
Dans le texte suivant se cachent des passages de chansons Malgaches et Françaises qui ont été traduites ( très) approximativement. Si vous pouvez identifier les chansons cachées dans le « you have got a friend » de Carol King, vous gagnez le titre de traducteur et accro à la pop « culture » de la semaine
.
Il sera aussi alors votre responsabilité de traduire vos chansons préférées dans la langue de votre choix et essayer de faire deviner les autres. Ha !
Pour voir un exemple de traduction de chanson, allez donc voir les poeteries de Rajiosy.
Voici donc le 1er challenge ( Il y a 2 chansons malgaches et 2 chansons françaises cachées):
Le ”You have got a friend” medley (Carol King/James Taylor)
[En]
When you’re down and troubled
And you need a helping hand
And nothing, oh nothing is going right.
Close your eyes and think of me
And soon I will be there
To brighten up even your darkest nights.
[Mg]
When you need a helping hand,
When things are not going your way,
Remember dear, that somewhere,
You have a friend who really cares,
You are not alone, someone thinks of you
So let go of your sorrow
Through darkness or heavy rain,
I will be there, sooner than later,
[En]
You just call out my name,
And you know where ever I am
Ill come running, oh yeah baby
To see you again.
Winter, spring, summer, or fall,
All you have to do is call
And Ill be there, yeah, yeah, yeah.
You’ve got a friend.
[Fr]
I can only remember an immense wall,
But we were together,
Together we went through it all,
Do you remember?
[Mg]
We will be together
Through laughter or tears,
To withstand the hardships
Ready for the worse,
[Fr]
We told each other let’s meet again in 10 years,
Same day, same time, same faces,
We will see when we are 30,
If we have become great men.
[I cannot believe I just wrote that. Too easy, hey ? Oh darn...]
Happy Holidays, Bloggers !!
Popularity: 6% [?]
Léger mieux dans le quotidien des Malagasy
10 décembre 2007 by Tomavana
L’histoire de l’adoption de la Déclaration universelle des droits de l’hommes par l’ONU et son cheminement est liée à Genève alors un bref rappel :
- 1947 : Le texte final de la Déclaration universelle des droits de l’homme (DUDH) rédigé par René Cassin (France) [assisté de Charles Malik (Liban) et de Mme Eleanor Roosevelt (Etats-Unis)] est remis à la Commission des droits de l’homme qui était réunie à Genève.
- 2006 : Création du Conseil des droits de l’homme de l’ONU [en remplacement de la l'ancienne Commission jugée inefficace] qui sera basé à Genève, lors de l’adoption par l’Assemblée générale le 15 mars 2006.
- 18 mai 2006 – Conseil des droits de l’homme de l’ONU : Madagascar fait parti des 14 États Membres élus pour un mandat de trois ans, à compter du 20 juin 2007. Élu au premier tour, Madagascar (182) ne sera devancé que par l’Inde (185) en faisant jeu égal avec l’Indonésie (182).
Popularity: 4% [?]
Arrêt sur clichés insolites
4 décembre 2007 by Tattum
Je me suis amusée à essentiellement photographier la vie quotidienne malagasy, au gré des scènes, au gré du temps. Et d’en sélectionner quelques-unes pour la bonne humeur.
© Brochettes de chaussures (cliquer pour agrandir)
On voit de ces rideaux de chaussures un peu partout à Antananarivo, où chaussures neuves et usagées sont mélangées (il paraît, de loin c’est difficile de le définir). Pourquoi brochettes? Car il ne manque plus que l’écolo barbecue sur cette photo. Bon appétit En toute décontraction bien sûr!
© On s’fait un jeu de dames? (cliquer pour agrandir)
Oui, je sais je suis vache zébu (vous allez comprendre). Mais la tendance est à la verticale, vous dis-je. Je voudrais la même, mais pour un fanorona svp, un bon plan pour la commander en ligne? Read more
Popularity: 4% [?]
Ny Ainga – Revy mbola mitohy
3 décembre 2007 by Hery
Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran’ny hoe populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto amin’ity blaogy ity androany.More…Taloha aho dia mba tia ny hiran’i Ny Ainga koa toa ireo tovolahy sy tovovavy nitovitovy sokajy, saranga, taona, revy tamiko. « Revy milay »… izay foana no malaza. Nanenjika ny rindran-kira natao tao Antananarivo. Nanana horonam-peo K7 Ny Ainga. Ny antony angamba dia noho ireo hirany izay mikasika ny fiainan’ny tanora nitovy taona sy sokajy tamiko mivantana. Hamafisiko foana ilay sokajy satria misy olona tsy mety tafiditra ao amin’ireo mpitia hiran’i Ny Ainga. Read more
Popularity: 7% [?]
Baolina, vehivavy, delestazy jirama ary zavatra hafa koa
3 décembre 2007 by Jentilisa
Lohahevitra maromaro tokoa no nobanjin’ny mpamaham-bolongana (mpiblaogy hoy ny maro) Malagasy nandritra iny volana Novambra iny. Ny resaka momba ny baolina fandaka, ny vehivavy, ny delestazy miaraka amin’ny jirama ary zavatra hafa koa no hamahanako anareo eto aloha.
Voalohany dia hiainga amin’ny zavatra tsy ankafizin’ny vehivavy loatra aloha koa aza tsiny indrindra re. Ilay ho ankafizinareo ihany manko no horesahina faharoa (ha!ha!). Tafita tamin’ny dingan’ny savaranonando eo amin’ny sehatry ny baolina fandaka manko ny ekipam-pirenentsika rehefa nanamontsana ny nosy Komoro eo avaratra andrefan’i Madagasikara eo. Nanamarika avy hatrany i DotMG fa karazan’ny « soavaly be tongotra » isika Malagasy rehefa hiditra amin’ny fifaninanana isam-bondrona. Anisan’ny laharana faramparany manko isika ary misy dikany lehibe izany hoe nanao lalao savaranonando izany. Nanantena ihany moa izy mba ho ekipa mbola tsy nihaona loatra amintsika no hifanandrina amintsika. Indrisy anefa fa mbola hifanehatra amin’ny Cote d’Ivoire izay efa nanamontsana antsika ihany isika ankoatra an’i Mozambique sy Botswana. Mampihomehy ihany ny ataon’ny haino aman-jery malagasy tsy misy anavahana fa tononina faharoa hatrany i Madagasikara rehefa tononina ny vondrona fahafito misy antsika nefa tokony ho farany no anononana antsika.
Nitaky amin’izay i jentilisa mba hoesorin’i FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza. Aleon’i simplex mijery ny lavitra avy hatrany satria tsy vitsy ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an’ny Malagasy ity. Dia nanolo-kevitra ny amin’ny lazainy hananganana ny revingadrany izy:
Manangana toeram-panomanana ho an’ny efa mahay ity taranja ity ka hakana Boay kely 16 – 18 taona miisa 15 isantaona no raisina, telo taona ny faharetam-piofanana, omena vatsim-pianarana ary ankoatra ny baolina dia ampianarina ny teny frantsay sy teny anglisy koa ho bagazy. Tokony hoheverina ihany koa ny fanamiana sy ny hamoronana hira faneva kely manokana ihany koa ho an’ity taranja iray ity.
Ny resaka faharoa indray dia resaka vehivavy indray. Oadray! Resaka mahaliana ny vehivavy maro eto Madagasikara indray manko e! Mariho fa tsy ny vehivavy rehetra tsy akory na dia izany aza. Hoy i Manjak ao amin’ny Madonline hoe efa lasa fahazarana ny mitady vady an-tserasera. Miova araka ny vanim-potoana ny fomba fa tsy eken’ny tanora loatra izany hoe vady atolotra izany. Fa ny voalohan-daharana tadiavina, hoy izy dia ny vazaha, sao dia tratra ilay hoavy mamirapiratra(mankany Andafy?). Ny lehilahy kosa indray, hoy ihany i Manjak, dia ireo any ivelan’i Madagasikara no mitady vady an-tserasera. Ary avy amin’izay no namoahan’i vaomiera lahatsoratra fitarainan’ny namany iray nahazo vady Malagasy an-tserasera saingy voafitaka tanteraka hany ka tofoka tanteraka amin’izany atao hoe vehivavy Malagasy izany. Bevohoka ikalakely nefa fantany tsara fa tsy izy no rain-janany, izao ka itakiana ny fiveloman’ny “zanany” any amin’ny fitsarana indray “fa ray mpandositra adidy” hoe ranamana. Loza izany! Read more
Popularity: 7% [?]
Variana amin’ny tombon-tsoany loatra ny Mpitondra
2 décembre 2007 by Randrianandrasana
Homa-miadan’ny toe-tsaina no anaran’aretina tena tandrify ilay fomba fihevitra mamohetra mitarika ny Malagasy hilomano mifanohitra amin’ny rian’ny fandrosoana tena izy. Tsy mihisatra fotsiny ny fampandrosoana mba imasoana fa tena toa hivily lalan-kafa mihitsy koa aza, noho io aretina io. Ny fanonontononana hoe: « Fampandrosoana, Fampandrosoana » mba ho entina mampandry adrisa fotsiny dia tena fanimbana ny fandavan-tena hiezaka ao anatin’ny olona izay tena manao ny ainy tsy ho zavatra sy mba misikim-ponitra hahatanteraka ny fampandrosoana tena izy. Tsy heverin’ireo manana andraikitra miharihary kokoa eo amin’ny firenena ireo fa ny fahatsiarovan’ny vahoaka hoe toa izy ihany no tena miharitra sy mandoa ny lany amin’ity fampandrosoana hiraina lava ity fa tsy mba ny mpitondra izay toa vao mainka aza mihamandimandina andro aman’alina, eny, ny fahatsapan’ny vahoaka an’izay dia mampihena ny risi-pony amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Misy marary koa ireo mpitondra ireo.
Mahery setra angamba izany sary ampiasaiko izany, haiko tsara, nefa rehefa mitaha amin’ny tena zava-misy anonontononana hoe “Fampandrosoana, Fampandrosoana” any an-tanàna dia tsapako indray ho mbola ohatry ny fanafody tsy ampy hery ihany, ohatry ny ranomena tsy mahatohitra ny sery, eny, tahaka ny tambavy tsy matoy. Avelao ary ho avoakako avy ato am-paosiko ny tànako hilazako azy fa mitady tsy ho vitan’ny anamalaho intsony anie izy ity e! Aoka ho avoakako ny tànako ho afaka. Ndrao mantsy dia heverinao fa naman’ireo mbola mifatotra koa aho. Mba fomban’ny Gasy fotsiny ny tsy avy hatrany dia mivatravatra fa mba mody misoko milamina manao ilay “Hanitra nentin-drazana” izay; ka mba manjohy ny làla-masaky ny Zoky Raiamandreny teo aloha ny tenako.
Iza amin’ireo mpitondra nifandimby tany amintsika re no tsy mbola taty an-dafy taty? Ny vahoaka madinika anefa mbola maro no tsy nanitsaka akory ny vovoky ny tsenabe ao amin’ny renivohitry faritra misy azy. Iza tamin’izy mpitondra ireo no tsy mbola nahita ny làlana midadasika aty an-dafy aty, dia ny làlana nanaovan’ny olona ezaka eran’ny fo mba ahafahan’ny olona mifanerasera sy mba hitosahan’ny vokatra jifaina amin’ny fomba maro isan-karazany hanerana ny vazan-tany? Ny an’ny vahoaka madinika dia izao: mbola miala anaty fiara fitaterana izy ka lasa manosika mirobo-potaka isaky ny raikitra anatin’ny lavadavaky ny làlana tsy vita tara ny kodiarany. Read more
Popularity: 3% [?]
Ilay hazo mahagaga
1 décembre 2007 by Dotmg
Indray andro hono, tao amin’ity fanjakana malaza anankiray, nisy hazo mamoa mahagaga naniry.
Hazo mahagaga: Tsy mila tondrahana izy, nefa tsy mety malazo fa maitso foana na vanim-potoana inona na vanim-potoana inona. Mamy tsy misy toa azy ny voany, sady mahavelona ihany koa, ary raha misy rantsana akana voany alatsinainy, dia miverina misy voany matoy hafa indray eo ny talata maraina. Tsy lanin’olon-tokana koa anefa ny voany anankiray, nefa tsy azo ariana ihany koa fa fadin’ilay hazo. Isam-pianakaviana dia samy manana ny voany voatokana ho azy, fa tsy azo atao ny mifangalatra na mifampindrana. Samy manana tsiro mampiavaka azy hono ny voany tsirairay, kanefa vitsy ihany ny olona no afaka nilaza an’izany satria voarara ny manandrana ny voankazo an’ny fianakaviana hafa, fa izay voatokana ho anao ihany no iaraha-mihinana amin’ny fianakaviana, ary rehefa avy alaina ny voankazo anankiray, dia izay maniry misolo an’iny ihany koa no azo alaina ny ampitso.
Tsy vitan’ny hoe fady sy voarara fotsiny anefa ireny rehetra ireny, fa didy napetraky ny mpanjaka mihitsy hiarovana ny vahoaka sy ilay hazo, satria sady mahatonga aretina toy ny kohaka, fanaviana, sns … ho an’ny mpangala-pihinana ny tsy fanarahana ilay fady, no mahasimba an’ilay hazo ihany koa rehefa ela ny ela.
Nandeha ny volana sy ny taona, nitombo ny tsy firaharahan’ny vahoaka ny didy sy ny fitsipika, ary dia betsaka no narary, ary nisy koa ny maty. Ilay hazo voaota fady ihany koa nisy fahasimbana ka nanomboka nahitana ravina miloko mavomavo.
Nanolo-tsaina ny mpanjaka ity tandapa fetsilahy iray fa hasiana kalo ilay hazo, ka izay mbola manota fady dia hibontsina ny ampitso ihany ny kibony. Neken’ny mpanjaka izany, ary nantenainy fa mba hampahahendry ireto vahoaka; nefa sady nalahelo ny vahoaka ihany koa izy, satria nampahafantarina taminy fa sady mampanaintaina ihany koa ilay kibo rehefa mibontsina.
Nony napetraka ilay kalo dia nisy tokoa ny olona no nibontsina ny kibony, ary tena nanaintaina mafy indrindra sy mila tsy ho zaka ilay kibo nibontsina. Tsy araka ny namisavisana azy anefa, satria tsy nampahahendry ny vahoaka hanaraka ny fadin’ilay hazo akory ny fisian’ilay kalo, fa ody kalo indray no nilofosan’ny vahoaka notadiavina fatratra, mba hahafahany mangala-pihinana amin’ny voankazon’ny hafa ihany nefa koa tsy iharan’ny fanaintainana. Tsy sarotra tamin’ilay tandapa fetsilahy ny nampanamboatra ody kalo, satria izy ihany no nampanamboatra an’ilay kalo, ka dia nivarotra karazana ody kalo anankiroa izy, ary nampanankarena azy haingana tokoa izany. Ny ody kalo iray dia hanina mialohan’ny hihinanana ilay voankazo mahagaga, ka na dia tsy manaraka ny fadin’ilay hazo aza ilay olona mihinana azy dia tsy mibontsina ny kibony sady tsy manaintaina. Io karazany iray io dia namidiny mora ary naparitany eraky ny fanjakana. Ny karazany anankiray dia ody kalo itsaboana izay efa mibontsina kibo, ka mampihena ny fanaintainana. Io indray dia tsy ahitana betsaka sady namidiny lafo, satria noho ny tsy fahazakana ilay fanaintainana dia mividy an’io foana izay olona voan’ilay kalo.
Fantatry ny mpanjaka ihany anefa ny teti-dratsin’ilay tandapa fetsilahy, ka nalahelo indrindra izy raha nahita fa lasa ilay kalo nokasaina hanampy ny olona tsy hanota fady indray no nataon’ny vahoaka fahavalo nitadiavana fanafodiny, fa tsy nohararaotiny handresena ny fakampanahy amin’ny fangalaram-pihinana. Lasa ilay aretin-kibo mibontsina sisa no hitan’ny mason’ny vahoaka sy noezahiny nialana fa tena voka-dratsin’ny ota fady amin’ilay hazo mahagaga, toy ny kohaka sy ny fanaviana, ary ny fahasimban’ilay hazo mahagaga tsy nosaininy intsony, satria sady tsy mihatra eo no eo, no tsy manaintaina mafy ihany koa.

This work is licensed under a Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 License.
Popularity: 4% [?]





License