Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fetin’ny krismasy na noely sy ny faran’ny taona isika amin’izao fotoana izao. Raha ny tokony ho izy amin’ny noely dia filazana ny vaovao mahafaly ny olon-drehetra ary ao anatin’izany ihany koa ny mahantra.

Ity resaka alefako eto ity dia mikasika olona iray manokana any Colombia, any Amerika Latinina any.(vakio eto ny teny anglisy). Anisan’ny nanaitra ahy manko ny momba azy io. Mahantra izy neefa dia miasa dia miasa tokoa. Efa antitra izy ary ratsy dia ratsy ny trano fialofany. Izao anefa no mahavariana: Tian’ny olona manodidina azy izy na dia mitoka-monina aza ary mba fantatrareo moa izany hoe nanome tany hanorenana trano fiangonana, sekoly, ary tranomboky ny ray aman-dreniny fahavelony?

Ankehitriny, misy olona maromaro miady ny zon’io lahiantitra io, mba hikarakarana azy manokana satria nahavita be tamin’ny manodidina azy izy nefa mahantra. Mety hoe tsy ho azony intsony ny tany nomen’ny ray aman-dreniny hampandrosoana saingy mba miady fo izy ireo hisy ahay hanonerana araka izay azo atao na dia maimai-poana aza ny fanomezana nataon’ny ray aman-dreniny.

Izany no niangaviana izay rehetra afaka manambara ampahibemaso manerana izao tontolo izao ny « hanavotana » ity lahiantitra iray ity, ary hiezahana handikana ny tantarany amin’ny tenim-pirenena rehetra izay tratra, ary efa vita ny anjara kelin’ny teny malagasy azonao vakiana eto. Dia manentana anareo mahay tenim-pirenena maro handika iihany koa ity tantara iray ity raha azo atao ihany!