Culture,  Langue (Mg),  Loisirs

Ny Ainga – Revy mbola mitohy

Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran’ny hoe populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto amin’ity blaogy ity androany.More…Taloha aho dia mba tia ny hiran’i Ny Ainga koa toa ireo tovolahy sy tovovavy nitovitovy sokajy, saranga, taona, revy tamiko. « Revy milay »… izay foana no malaza. Nanenjika ny rindran-kira natao tao Antananarivo. Nanana horonam-peo K7 Ny Ainga. Ny antony angamba dia noho ireo hirany izay mikasika ny fiainan’ny tanora nitovy taona sy sokajy tamiko mivantana. Hamafisiko foana ilay sokajy satria misy olona tsy mety tafiditra ao amin’ireo mpitia hiran’i Ny Ainga.

Tarika Ny Ainga Ireo tsy tia ny tarika Ny Ainga dia mahita hoe tsy miova style mihitsy ry zareo. Izy mantsy no anisan’ny tarika malagasy miangaly « Country » ka ny ankamaroan’ny hirany dia toa hira amerikana tamin’ny andron’ny Western. Ry zalahy rahateo mampiseho izany amin’ny fitafy. Tsy ireny ihany anefa no hirain’i Ny Ainga. Anisan’ny tena nalaza sy heno tamin’ny radio foana ohatra tamin’izany ny « Tsy misy toa anao » sy ny « Ilay voalohany« . Hira milamindamina fa nampihetsi-po an’ireo miala sakana. Nisy koa anefa ny hira tena Malagasy sy ireo hira politika tahaka ny « Veloranon’Iarivo ». Ary ny hiram-pivavahana izay tonga hatrany am-piangonana, tahaka ny « Fo torotoro » sy ny « Dera sy laza« .

Fa nandritra ny dia farany tany Madagasikara teo dia hita fa mbola « etsy sy eroa » (omniprésent mihitsy) ny tarika Ny Ainga. Mandeha anaty taxi-be na taxi-brousse ianao dia tsy maintsy misy foana hiran’i Ny Ainga. Ny sasany aza mandefa Ny Ainga « en boucle ». Amin’ny Radio dia mbola miverimberina ilay « Fitiavako masiaka » sy ny « Revintsika roa« . Teny amin’ny RN1 sy ny RN7 izay nandehanako dia misy Afisy vitsivitsy milaza ny handalovan’ny tarika Ny Ainga. Ary angamba raha atao ny kajy dia ny tarika Ny Ainga no manao fampisehoana be indrindra, raha ny isany fotsiny no jerena, hatramin’izay 10 taona niforonany izay.

Raha ry mpikambana ao amin’ny tarika indray no asiana teny kely. Toa lany depiote indray i OM-GUI tamin’ity. Mandat faharoa izany io. I Patty, ilay feo voalohany, dia niala ary i Assinah sa Hasinah indray no misolo azy (tian’i zandrinay vavy be io). Ny hafa tsy haiko.

Jereo eto ny klipy video 20 mahery misy hiran’i Ny Ainga

Jereo eto ny momba ny tarika ao amin’ny tononkira.serasera.org

Jereo eto ny hirany rehetra ao amin’ny tononkira.serasera.org

Jereo eto ny hirany azo alahatra sy henoina ao amin’ny radiovazogasy.com

8 commentaires

  • Tattum

    C’est peut-être une question de génération, mais je connais sans plus. Mais bon, je ne suis pas en train de signifier un écart de génération significatif non plus hein 😀 !

    Ny ahy aloha tamin’ny nandalo iny dia Fanaiky ary Mika sy Davis no tena nirevena teny sy aty. 🙂

  • ikalakely

    Tadididiko fotsiny, indrindra ilay Patty, fa tsy mety tafajanona am-bavako mihitsy ny hirany. Tsy tafiditra ao anaty sokajy aho izany! laolina hoy ilay tao @ skyblog izay mantsy ny lol

  • Helisoa

    Misaotra mampatsiahy azy ireo fa izaho mpankafy ny hiran-dry zareo e !
    Ny palitao lavabe fotsiny no manahirana kely ahy fa ankoatra izay dia BIEN !
    MANKASITRAKA e !

  • hira

    Za koa ry Helisoa dia toy izany. Tsy dia voako loatra ilay fiankanjo cow boy, ny stetson sy ny tralala fa izay moa no mba revindry zareo. Fa ny hira aloha dia tena tiako e indrindra indrindra rehefa miangaly feo miaraka daholo ry zareo tena tsara be ilay feeling.
    Marina mihintsy ny tenenin’i hery hoe « populaire » ry zareo. ‘Reo zanak’i Iarivo miaingitraingitra ireo aloha dia tena allergique mihitsy e hi hi hi. Azoko ny antony, nefa na izany aza dia miha vitsy ny artista malagasy toa andry zareo manana style sady manolotra zavatra tena hita hoe niangaliana fa tsy mihirahira fotsiny manaraka ny toe-trandro dia adino rahampitso.
    Ny ahy efa manomboka mankaleo ahy ny che bel canto sy ny Fitiavana Marina etc etc… hitako hoe fangoronambola be fotsiny fa artistiquement tsy misy ninoninona mihintsy, c’est vrai vedettes be daholo, tsara feo, tsara ny duo, fa tsy mampivoatra ny zavakanto fa reprises fotsiny. Pareil pour les petits jeunes toa andry Aina Cook e, même ry Tovo J’hay toa zesta sisa no betsaka fa tsy mahita hira firy intsony. Asa angaha raha noho ny hoe hoe mipetraka aty an-dafy aho, fa raha ny ho vazaha aloha no hitomaniana dia tsy mahatoraka akory. Aleoko mihaino Ramafadrahona sy Ny Ainga sy Jerry Marcoss sy Tinondia au moins ireny mba miasa loha @ famoronana sy mihira ny tena fiainana hi hi hi! Marihiko aloha fa 20 taona aho an. Tsy voatery hoe resaka génération io.
    I Patty toa niècen’i Om-Gui ihany, tsy hoe niala izy fa manao zavatra hafa, miverimberina ihany indraindray, fa i Noro no tsy ao intsony. Ny ahy koa Asnah no tena tiako. Tsotsotra sady tsara feo.

  • Helisoa

    Tena mitovy feeling izany e !

    Mafonja tokoa ny tononkira sy ny feon-dry zalahy an !
    Ilay feon-dahy miaraka e ! Hum! Hum !
    Aoka fotsiny an !

    Tena marina mihintsy ireo voalazanao momba ny fandehan’ny hira sy mpihira malagasy ankehitriny ireo. Soa ihany fa misy ireo groupes voalazanao etsy ambony.
    Manasa hitsidika ny blog mitantara an’i Madagasikara amin’ny alàlan’ny hira notsongaiko ato
    http://chants-musiques-madagascar.oldiblog.com

  • Nathalie RAKOTONDRAVAO

    Slt!
    Zà ko reto mba tia Ny ainga be a !
    Misy ol manakiana à oé:voadona tany oany ngà no tia ny ainga ?
    zà nefa maita oé tena ao tsara ny tonnonkira sady misy anatra no mampieritreritra koa indraindray.Bref ,tena vazo m’lay!ianareo aza moa any an-tany lavitra any mirevy koa nahoana ny eto an-toerana indray no hiseho tsy ho tia ,zà alo de tena malaelo be refa mba misy spéctacle an-dry zareo iny nefa zà tsy afaka é !tena snif ,snif … .
    Milay be fona zé hira mivoaka vaovao eo é !sô aôna? BYE !

  • nathalie

    Tiko be ny tarika ny ainga
    sy ny hira rehetra ataony;tsy misy oe nahoana!
    fa mendrika horaisina ho anatra @ fiainana
    ny tononkiran zareo.

  • rado

    ny ainga ve! tena lafatra e!fa za lo nalaelo an i patty e!soaihany fa teo i asnah isaorana ny tompo nanome ny malagasy ny tarika

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.