Lohahevitra maromaro tokoa no nobanjin’ny mpamaham-bolongana (mpiblaogy hoy ny maro) Malagasy nandritra iny volana Novambra iny. Ny resaka momba ny baolina fandaka, ny vehivavy, ny delestazy miaraka amin’ny jirama ary zavatra hafa koa no hamahanako anareo eto aloha.

Voalohany dia hiainga amin’ny zavatra tsy ankafizin’ny vehivavy loatra aloha koa aza tsiny indrindra re. Ilay ho ankafizinareo ihany manko no horesahina faharoa (ha!ha!). Tafita tamin’ny dingan’ny savaranonando eo amin’ny sehatry ny baolina fandaka manko ny ekipam-pirenentsika rehefa nanamontsana ny nosy Komoro eo avaratra andrefan’i Madagasikara eo. Nanamarika avy hatrany i DotMG fa karazan’ny « soavaly be tongotra » isika Malagasy rehefa hiditra amin’ny fifaninanana isam-bondrona. Anisan’ny laharana faramparany manko isika ary misy dikany lehibe izany hoe nanao lalao savaranonando izany. Nanantena ihany moa izy mba ho ekipa mbola tsy nihaona loatra amintsika no hifanandrina amintsika. Indrisy anefa fa mbola hifanehatra amin’ny Cote d’Ivoire izay efa nanamontsana antsika ihany isika ankoatra an’i Mozambique sy Botswana. Mampihomehy ihany ny ataon’ny haino aman-jery malagasy tsy misy anavahana fa tononina faharoa hatrany i Madagasikara rehefa tononina ny vondrona fahafito misy antsika nefa tokony ho farany no anononana antsika.

Nitaky amin’izay i jentilisa mba hoesorin’i FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza. Aleon’i simplex mijery ny lavitra avy hatrany satria tsy vitsy ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an’ny Malagasy ity. Dia nanolo-kevitra ny amin’ny lazainy hananganana ny revingadrany izy:
Manangana toeram-panomanana ho an’ny efa mahay ity taranja ity ka hakana Boay kely 16 – 18 taona miisa 15 isantaona no raisina, telo taona ny faharetam-piofanana, omena vatsim-pianarana ary ankoatra ny baolina dia ampianarina ny teny frantsay sy teny anglisy koa ho bagazy. Tokony hoheverina ihany koa ny fanamiana sy ny hamoronana hira faneva kely manokana ihany koa ho an’ity taranja iray ity.

Ny resaka faharoa indray dia resaka vehivavy indray. Oadray! Resaka mahaliana ny vehivavy maro eto Madagasikara indray manko e! Mariho fa tsy ny vehivavy rehetra tsy akory na dia izany aza. Hoy i Manjak ao amin’ny Madonline hoe efa lasa fahazarana ny mitady vady an-tserasera. Miova araka ny vanim-potoana ny fomba fa tsy eken’ny tanora loatra izany hoe vady atolotra izany. Fa ny voalohan-daharana tadiavina, hoy izy dia ny vazaha, sao dia tratra ilay hoavy mamirapiratra(mankany Andafy?). Ny lehilahy kosa indray, hoy ihany i Manjak, dia ireo any ivelan’i Madagasikara no mitady vady an-tserasera. Ary avy amin’izay no namoahan’i vaomiera lahatsoratra fitarainan’ny namany iray nahazo vady Malagasy an-tserasera saingy voafitaka tanteraka hany ka tofoka tanteraka amin’izany atao hoe vehivavy Malagasy izany. Bevohoka ikalakely nefa fantany tsara fa tsy izy no rain-janany, izao ka itakiana ny fiveloman’ny “zanany” any amin’ny fitsarana indray “fa ray mpandositra adidy” hoe ranamana. Loza izany!

Angaha izay ihany? Nitantara lavalava tao amin’ny bolongany i Tomavana fa misy mihitsy ny vehivavy Malagasy mikarama hampiresaka lehilahy any Eoropa fotsiny. Fitaka eo anatrehan’ny lalàna frantsay ilay asa ka izay no itoeran’ilay atao hoe orisana eto Madagasikara. Hoy Tomavana hoe: Raha fintinina sy tsorina dia toy izao no fehin’ilay fanadihadiana « manararaotra ireo tokantena izay mipetraka any amin’ny toerana vitsy mponina sy mitady sipa amin’ny Aterineto ny vohikala sasany, ka manakarama tovovavy [2.euro isan’ora] any an-kodahoda any [vakio hoe Madagasikara] mba handainga sy hisoloky hilaza ny tenany ho ampela vazaha [blaondy tso-bolo sns…] monina tsy lavitra sy mifanolo-bodirindrina ary mpitovo ka mety ho vonona/azo ifaneraserana raha mifankahalala bebe kokoa… izany hoe mijanona mpikambana elaela kokoa ao amin’ny vohikala ilay tokatena… ».

Fa ny an’i crjo indray moa dia notsoriny fa izy tsy vonona mihitsy (sy ny fahamerarany?)angaha no tsy mbola maharoboka azy loatra hanana vehivavy ho namana. Aza tsiny re raha diso fandray resaka aho! I Trinitty indray moa dia miresaka fa na dia lasa lavitra amin’ny fianarana aza ny ankamaroantsika dia mbola “tanora lalandava” ihany isika eo amin’ny fiainam-piaraha-monina. Toa tafasaraka amin’ny ankapoben’ny fiaraha-monina mihitsy aza. Toy ny mpianatry ny Lycée (17 taona) fa efa mahay mikirakira ny fitaovam-pandidiana, hoy izy izay.

Fa mbola resaka vehivavy ihany ny tohiny, fandre mahazatra teo aloha fa tsy tian’ny vehivavy loatra ny milaza ny taonany raha misy manontany azy. Ny hany lazainy raha hilaza izy dia ny andro sy volana nahaterahana ihany. Noho izany, hafa mihitsy raha misy mpamaham-bolongana vehivavy Malagasy roa nahasahy ny taonany tamin’ity volana ity. I jfmada manoratra tsapam-piainany nandritra ny faha-23 taonany. I Mialy s’en fout kosa maneho ny mahaizy azy amin’ny faha-26 taonany (marihina fa namelatra bolongana ho amin’ny teny malagasy koa izy ary iarahabana azy izany). Mba hafa indray iny! Angamba nisy izay ho tezitra anefa raha tamin’ireny fihaonana ireny no anontaniana ny vehivavy hoe firy taona ianao? Ha!ha!

Fa ity resaka delestazy, na fahatapahan-jiro anatin’ny fotoana maharitra “mifandimby” ity kosa aloha dia mbola tsy afaka mihitsy sady nisy rahateo ny nahatsapa izany mivantana teto an-tanindrazana teto. Nolazain’ny gazety sy i Manjak fa tezitra dia tezitra tokoa ny filoha Ravalomanana raha nikabary ka tapaka indroa noho ny fahatapahan-jiro izany. Nefa dia minitra telo fotsiny izany. Aiza ho aiza amin’izany moa ny iainan’ny sarambambem-bahoaka amin’ny ankapobeny? Asaina mihafy sy hahari-pery ary ho tony mandrakariva anefa izy ireo.

Na dia efa niomana hiatrika izany aza i hery dia sahirana niaina izany hoe tsy nisy jiro nandritra ny 17 ora izany nandalo tany Toliary sy ny vokadratsiny eo amin’ny hazandrano nampangatsiahina nitsonika ohatra. Niresaka momba ny jirama izay mpamatsy jiro manokana an’i Madagasikara moa i The Non Required ao amin’ny bolongany. Nomarihiny fa maro koa ny firenena eto Afrika no manana olana momba ny jiro ka noraisiny ho ohatra i Senegal, i Tanzania ary i Afrika Atsimo. Olana iray nomarihiny ho an’i Madagasikara moa dia ny nandoavan’i Malagasy nandritra ny fotoana maharitra sara ambany noho ny tokony ho izy ity sehatra ity ka nijafajafa amin’izay nymaro an’isa rehefa tena ampiharina ny vidiny araka ny tokony ho izy. Adino manko ny nikojakoja ireo fitaovam-panome angovon’aratra sy ny managana toeram-pamokarana angovo hafa. Tsy mety loatra ny mamerina manontolo izay nolazainy fa aleo jerena mivantana any izay nosoratany e!

Nandalo teto Madagasikara ihany koa i Tattum ka niara-niaina tamin’ny be sy ny maro izany fiainana tapaka jiro izany. Dia nanana ny vahaolana vonjimaika ho azy moa izy miatrika io delestazy io. Ary mampahafantatra izay fantany ny amin’io ihany koa izy. Amin’ny ankapobeny moa dia miezaka mamintina anaty lahatsorany ireo tsara ho fantatra ihany koa izy koa raha mahaliana anao dia mba tsidiho ihany koa re! Amin’ny teny frantsay ireo, teny ofisialy eto Madagasikara ihany izany.

Aleo indray hiresaka fizahantany mamoha fady (fa tsy mamoafady araka ny fanoratra mahazatra) sy ny fampidirana amin’izany “sehatra ho an’ny lehibe irery ihany” ny zaza isika. Noraketin’ikalakely an-tsoratra fa zaza tsy ampy taona 1 400 000 no voatery miasa eto Madagasikara noho ny tsy fahampiana. Avy amin’izany asa famelombelomana madinidinika izany no mora mahatarika azy ireny ho amin’ny fivarotan-tena ihany koa. Mila fanentanana noho izany ny ady amin’ny fanararaotana zaza tsy ampy taona. Ao anatin’izany tolona iadiana amin’ny fizahantany mamoha fady izany indrindra i jogany ary misy tolokevitra maromaro ho an’ny rehetra hampandresena izany tolona izany ary nofeheziiny moa hoe aleo antsoina amin’ny tena anarany ity faharatsiana faratampony ity. Ny fiarovana ireny ankizy ireny, hoy izy, no fanomezana tsara indrindra tsara atolotra amin’izao Noely ho avy izao.

Miresaka zaza ihany moa ka dia manararaotra kely hamparoroka taiza an-dry Barijaona, sipaKV, ary Mia Casa sahirana amin’ny zaza ao e! Fa ny tena be mpiresaka ihany koa tamin’ity volana ity dia ny politika sady tena ankafiziko tokoa io lohahevitra iray io. Nefa raha soratako eto dia ho lasa famelabelarana fa tsy ho famintinana intsony ka mba tsy hahamonamonaina antsika dia misy fifidianana ihany koa anie ho an’ny bolongana malagasy sy mifandray amin’ny malagasy sy i Madagasikara na lavitra na akaiky e! Karakarain’i foko-Madagascar izy io. Mandehana aloha mifidy, dia aza manao vato maty! Ialako tsiny indrindra re raha misy tsy hitako fa atoroy ahy eo amin’ny ihany izay hafa hitanareo tokony navoaka teto. Mahatanty tsikera aho sady tsy mba manao an-dolom-po loatra e! Raha maro be moa ianareo mitaky ny amoahana resaka politika dia avoakako izany, raha vitsy kosa…