Homa-miadan’ny toe-tsaina no anaran’aretina tena tandrify ilay fomba fihevitra mamohetra mitarika ny Malagasy hilomano mifanohitra amin’ny rian’ny fandrosoana tena izy. Tsy mihisatra fotsiny ny fampandrosoana mba imasoana fa tena toa hivily lalan-kafa mihitsy koa aza, noho io aretina io. Ny fanonontononana hoe: « Fampandrosoana, Fampandrosoana » mba ho entina mampandry adrisa fotsiny dia tena fanimbana ny fandavan-tena hiezaka ao anatin’ny olona izay tena manao ny ainy tsy ho zavatra sy mba misikim-ponitra hahatanteraka ny fampandrosoana tena izy. Tsy heverin’ireo manana andraikitra miharihary kokoa eo amin’ny firenena ireo fa ny fahatsiarovan’ny vahoaka hoe toa izy ihany no tena miharitra sy mandoa ny lany amin’ity fampandrosoana hiraina lava ity fa tsy mba ny mpitondra izay toa vao mainka aza mihamandimandina andro aman’alina, eny, ny fahatsapan’ny vahoaka an’izay dia mampihena ny risi-pony amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Misy marary koa ireo mpitondra ireo.

Mahery setra angamba izany sary ampiasaiko izany, haiko tsara, nefa rehefa mitaha amin’ny tena zava-misy anonontononana hoe “Fampandrosoana, Fampandrosoana” any an-tanàna dia tsapako indray ho mbola ohatry ny fanafody tsy ampy hery ihany, ohatry ny ranomena tsy mahatohitra ny sery, eny, tahaka ny tambavy tsy matoy. Avelao ary ho avoakako avy ato am-paosiko ny tànako hilazako azy fa mitady tsy ho vitan’ny anamalaho intsony anie izy ity e! Aoka ho avoakako ny tànako ho afaka. Ndrao mantsy dia heverinao fa naman’ireo mbola mifatotra koa aho. Mba fomban’ny Gasy fotsiny ny tsy avy hatrany dia mivatravatra fa mba mody misoko milamina manao ilay “Hanitra nentin-drazana” izay; ka mba manjohy ny làla-masaky ny Zoky Raiamandreny teo aloha ny tenako.

Iza amin’ireo mpitondra nifandimby tany amintsika re no tsy mbola taty an-dafy taty? Ny vahoaka madinika anefa mbola maro no tsy nanitsaka akory ny vovoky ny tsenabe ao amin’ny renivohitry faritra misy azy. Iza tamin’izy mpitondra ireo no tsy mbola nahita ny làlana midadasika aty an-dafy aty, dia ny làlana nanaovan’ny olona ezaka eran’ny fo mba ahafahan’ny olona mifanerasera sy mba hitosahan’ny vokatra jifaina amin’ny fomba maro isan-karazany hanerana ny vazan-tany? Ny an’ny vahoaka madinika dia izao: mbola miala anaty fiara fitaterana izy ka lasa manosika mirobo-potaka isaky ny raikitra anatin’ny lavadavaky ny làlana tsy vita tara ny kodiarany.

Iza amin’izy mpitondra ireo no tsy mbola nandro tamin’ny rano mafana tany amin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe maro kintana sy tena fanta-daza eran-tany aty an-dafy aty ka mifafa sy manamaina tena amin’ny famaohana malandilandy avy eo ary tsenain’ny kafe mafana azo sotroina miadana eo amin’ny seza be velarana manatrika ny fitaratry ny vata fahita lavitra miloko baikoina avy lavitra dia efa manaiky? Ny an’ny vahoaka madinika dia na dia ny rano hanokonam-bary aza mbola manahirana, amin’ny faritra maro, ny mahita azy. Iza tamin’izy mpitondra ireny no tsy mbola natory tanaty efitra manitra mamerovero misy varavarankely maharo amin’ny rivotra sy ny orana, misy fitaovana tsy hita maso mandroaka ny lalitra sy ny moka ao amin’ny trano mahate ho tia sady voahodidina tamboho arahan’ny mpitandro filaminana maso 24 ora isan’andro? Ny an’ny vahoaka madinika dia trano onenana amin’ny antoandro ihany ny trano fonenana fa ilaozana amin’ny alina mba hamonjena ny aina, fa ho avy ny malaso handroba sy hanao habibiana rehefa tonga manarona ny tany ny haizina. Iza amin’izy mpitondra ireo no mba efa notairin’ny fahitana ny aty an-dafy aty ka nanao ho vain-dohan-draharaha ny fikatsahana ny tombon-tsoan’ireny vahoaka miaina mandavan-taona sy mandritra ny androny rehetra anaty fahatsizarizariana ireny?

Ny voan-dàlana farany tsara azon’izy ireny mpitondra ireny entina isak’izay mandeha, raha ny fahatsiarovako azy, dia resaka vao mafana mahakasikasika ivelambelany fotsiny ny fampandrosoana, kabary atosaka amin’ny haino aman-jery izay miainga mivantana avy eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mandritra izany dia mbola any amin’ny vatany any ny havizanana vokatry ny sidina namakivakiany ny habakabak’i Afrika sy ny ranomasina midadasika niampitany. Ny an’ny vahoaka madinika anefa dia mbola ny renirano tsy misy tetezana fotsiny dia efa mahasakana azy tsy hamonjy tsena sy manakana ny mpijirika tsy ho avy haka ny vokatry ny taniny nandaniany herim-po nandritra ny taom-piasana iray manontolo.

Vitan’ireny mpitondra ireny ny mitantara an-tsipirihany ny dia nitsidihana an’izao sy izao sy ny namangiany an-dRanona sy Ranona erak’io vaza-montotra rehetra io. Hatramin’ny fomba miavaka nandraisana azy tao an’Anona sy tao an’Anona aza tsy misy latsaka. Fa ny vahoaka madinika dia mbola maty kitakita raha vao miakatra birao na dia eo amin’ny fanamboarana ny kopia ho an’ny zanany vao teraka manana zo mba hanana kopia nahaterahana aza. Dia heverin’ny mpitondra manao tatitra fa efa fandrosoana goavana izany vitany izany!