Indray andro hono, tao amin’ity fanjakana malaza anankiray, nisy hazo mamoa mahagaga naniry.

Hazo mahagaga: Tsy mila tondrahana izy, nefa tsy mety malazo fa maitso foana na vanim-potoana inona na vanim-potoana inona. Mamy tsy misy toa azy ny voany, sady mahavelona ihany koa, ary raha misy rantsana akana voany alatsinainy, dia miverina misy voany matoy hafa indray eo ny talata maraina. Tsy lanin’olon-tokana koa anefa ny voany anankiray, nefa tsy azo ariana ihany koa fa fadin’ilay hazo. Isam-pianakaviana dia samy manana ny voany voatokana ho azy, fa tsy azo atao ny mifangalatra na mifampindrana. Samy manana tsiro mampiavaka azy hono ny voany tsirairay, kanefa vitsy ihany ny olona no afaka nilaza an’izany satria voarara ny manandrana ny voankazo an’ny fianakaviana hafa, fa izay voatokana ho anao ihany no iaraha-mihinana amin’ny fianakaviana, ary rehefa avy alaina ny voankazo anankiray, dia izay maniry misolo an’iny ihany koa no azo alaina ny ampitso.

Tsy vitan’ny hoe fady sy voarara fotsiny anefa ireny rehetra ireny, fa didy napetraky ny mpanjaka mihitsy hiarovana ny vahoaka sy ilay hazo, satria sady mahatonga aretina toy ny kohaka, fanaviana, sns … ho an’ny mpangala-pihinana ny tsy fanarahana ilay fady, no mahasimba an’ilay hazo ihany koa rehefa ela ny ela.

Nandeha ny volana sy ny taona, nitombo ny tsy firaharahan’ny vahoaka ny didy sy ny fitsipika, ary dia betsaka no narary, ary nisy koa ny maty. Ilay hazo voaota fady ihany koa nisy fahasimbana ka nanomboka nahitana ravina miloko mavomavo.

Nanolo-tsaina ny mpanjaka ity tandapa fetsilahy iray fa hasiana kalo ilay hazo, ka izay mbola manota fady dia hibontsina ny ampitso ihany ny kibony. Neken’ny mpanjaka izany, ary nantenainy fa mba hampahahendry ireto vahoaka; nefa sady nalahelo ny vahoaka ihany koa izy, satria nampahafantarina taminy fa sady mampanaintaina ihany koa ilay kibo rehefa mibontsina.

Nony napetraka ilay kalo dia nisy tokoa ny olona no nibontsina ny kibony, ary tena nanaintaina mafy indrindra sy mila tsy ho zaka ilay kibo nibontsina. Tsy araka ny namisavisana azy anefa, satria tsy nampahahendry ny vahoaka hanaraka ny fadin’ilay hazo akory ny fisian’ilay kalo, fa ody kalo indray no nilofosan’ny vahoaka notadiavina fatratra, mba hahafahany mangala-pihinana amin’ny voankazon’ny hafa ihany nefa koa tsy iharan’ny fanaintainana. Tsy sarotra tamin’ilay tandapa fetsilahy ny nampanamboatra ody kalo, satria izy ihany no nampanamboatra an’ilay kalo, ka dia nivarotra karazana ody kalo anankiroa izy, ary nampanankarena azy haingana tokoa izany. Ny ody kalo iray dia hanina mialohan’ny hihinanana ilay voankazo mahagaga, ka na dia tsy manaraka ny fadin’ilay hazo aza ilay olona mihinana azy dia tsy mibontsina ny kibony sady tsy manaintaina. Io karazany iray io dia namidiny mora ary naparitany eraky ny fanjakana. Ny karazany anankiray dia ody kalo itsaboana izay efa mibontsina kibo, ka mampihena ny fanaintainana. Io indray dia tsy ahitana betsaka sady namidiny lafo, satria noho ny tsy fahazakana ilay fanaintainana dia mividy an’io foana izay olona voan’ilay kalo.

Fantatry ny mpanjaka ihany anefa ny teti-dratsin’ilay tandapa fetsilahy, ka nalahelo indrindra izy raha nahita fa lasa ilay kalo nokasaina hanampy ny olona tsy hanota fady indray no nataon’ny vahoaka fahavalo nitadiavana fanafodiny, fa tsy nohararaotiny handresena ny fakampanahy amin’ny fangalaram-pihinana. Lasa ilay aretin-kibo mibontsina sisa no hitan’ny mason’ny vahoaka sy noezahiny nialana fa tena voka-dratsin’ny ota fady amin’ilay hazo mahagaga, toy ny kohaka sy ny fanaviana, ary ny fahasimban’ilay hazo mahagaga tsy nosaininy intsony, satria sady tsy mihatra eo no eo, no tsy manaintaina mafy ihany koa.

Creative Commons License
This work is licensed under a Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 License.