Ndeha ary hiresakafampandrosoana e!Samy mahay miresaka daholo rehefa mahazo ilay fitaovana idiran’ny feo kendrena hanjary ho avo rehefa mikarantsana mivoaka amin’ilay vata fanamafisana iny, samy mailaka manoratra avokoa izay efa ampy fahazarana ka mahazo ilay fitaovana fitendry ho fandrafetana ny teny avy eo imolotra sy ny hevitra avy ao an-tsaina hanjary soratra azo vakiana eo amin’ny tava mazavan’ny solosaina, eny, samy maneho hevitra daholo izay tonga eo amin’ny Blaogy, dia ity fafy hevitra an-tranonkalan-tserasera ity, tahaka izao anio izao. Saingy ity re no asa: mba misy mahay mampandroso tokoa ve? Fampandrosoana mantsy izao no resaka. Tsy fampandrosoana manao tifi-danitra anefa izany ambarako izany fa fampandrosoana tena mikendry ny fahavalo na fampandrosoana tena mikendry ny haza. Napetrako ny hoe ” mitifi-danitra” mba hitaha amin’ny hoe “mikendry”, izany hoe efa ratsy sahady izay tsy fananana fikendrena mazava ny tanjo-kiantefana izay, efa fatiantoka be sahady izay.

Nefa ny mitranga any Madagasikara ankehitriny aza dia mbola ratsy lavitra no ho izany. Tsy mba “ilay lanitra tsy hianjera” no atao maty tifitra, tsy ny rahona manalokaloka iny “fonenan’ny olo-masina” iny akory aza no atao bokan’ny voam-bala, fa ny namana sy tapaka, ny rahalahy sy ny anabavy miavo-tena, ny mpiara-mizara dian’omby. Ny lohantsika malagasy miondana rotsirotsy fampandrosoana fa ny fanambanintsika dia mbola mitombona tsara eo amin’ny sezan’ny fanjanahan-tany ihany. Iza no tsy mahatadidy fa io ampahan-tantara matroka loatran’ny firenentsika io dia nivelararan’ny foto-kevitra toto tànana miorina amin’ny fitsinjovana ny aina hoe:“raha ho faty aho matesa rahavana” ara-bakiteny, izay nirandrana niaraka tamin’ny “zarazarao hanjakana” izay tsy inona fa filozofiam-pitsetsafana nentin’ny sambo niaraka tamin’ny vanja sy afo avy any dilam-bato. Alin-dririnina nateza no vokany maharitra mandrakandroany. Ny haizina mikitroka mitarika ny tsirairay tsy hahalala na iza na iza ankoatra ny tena ary ny hatsiaky ny faty manara mahaara-dalàna ny fisintonan-damba hamonofono ny isam-batan’olona hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Mampangirifiry ny hafa ny zava-bitan’ny sasany nefa ny “HAFA” toa tsy mahatsiaro akory ho tompon’andraikitra na dia mitaraina aza ny “SASANY”. Tsy voatery ho noho ny faharatsian-piniavana anefa izany, indrisy, fa mety ho noho ny aretina mihitsy ihany koa: Homamiadan’ny toe-tsaina no anarany. Maro no voan’io aretina io amin’ny Malagasy. Tsy miafinafina ny fisehon’ny soratr’aretina fa mibaribary. Jereo anie fa na dia efa ho dimampolo taona aza izao no namahana ny fatoran’ny tànana aman-tongotr’i Madagasikara, hatramin’izao andro hifampiresahantsika izao dia mbola misy olona toy ny mandeha amin’ny tongotra sy tànana mikambana toa mbola voagia am-patorana ihany manerana ny NOSY.

Tsy mba afaka mivelatra fa tery saina sy tsy mahay afa-tsy ny manakiana izay mandray andraikitra fotsiny nefa rehefa andrasan-kanao mihodina tsy misy fialan-tsiny akory fan a manaiky am-pahibemaso aza mihodivitra dia tsy hita. Tsy mba afaka hanao ezaka mba ho tonga mpandray anjara amin’ny hazakazaka imasoan’izao tontolo izao amin’ny fampivoarana misandrahaka amin’ny lafiny rehetra ny olona voakiky toe-tsaina toy izany fa lany andro amin’ny dia miadana tsy an-tsafidy mihazona azy hifanipaka samy izy toa “valala an-karona”. Ny hery kely sisa hananany izay mety mbola mba mahatahiry fanatenana tsy maty aza, vokatr’ity aretin-dratsy ity, dia tsy hainy fehezina fa toa lasa ho azy any amin’ny fanaingana ny angiban’ny fifampialonana sy ny kanonta fanorotoroana ho enti- manenjika izay sahy mandrayny faneva. Mila fitsaboana maika ity homamiadan’ny toe-tsaina ity fa io, raha tsy mitandrina isika, no handemy antsika mianankavy ao. Dia avy eo anie io koa no hahalasa antsika tsimoramora ho rembin’ny fasan’ny Fampandrosoana mahery mitifitra; nefa tsy mikendry afa-tsy ny havana aman-tsakaiza manomboka ho afa-tsakana.