Maro ireo anaran-tànana izay rohizana anarana tonon’andro any Madagasikara : Alatsinainy-Bakaro, Talata-Ampano, Soavimasoandro-Alarobia, Alakamisy-Ambohimaha, Anjoma-Fanjakana, Asabotsy-Ranoroahina … anjaranareo ny manohy ny lisitra ary heveriko fa izay mahita anarana miaraka amin’ny Alahady no ho mpandresy.

Ny iombonan’ireo tanàna rehetra ireo dia ny andron-tsena. Izany hoe andro iray isan-kerinandro no mba natokana ahafahana miantsena any amin’izany faritra izany ka dia tena andro firavoravoana mihitsy io. Miainga vao magiran-dratsy avy any an-tanàna ireo mponina any ambanivohitra dia mandeha tongotra milanja izay enta-keliny na mandroaka izay omby hamidy. Miezaka ny hahalafo ny entana aloha vao mieritreritra izay miantsena alohan’ny fotoana hodiana.

Matetika eo koa no toerana « ambohipihaonan’ny mpitovo » ka dia mifampisarisary zoro eny ary satria fohy ny fotoana dia tohizana amin’ny herinandro manaraka indray ny « resadresaka » raha toa ka mifanalavitra loatra ireo fonenana ka tsy ahafahana mifamangivangy anelanelan’andro 😉 Tena fanasaziana mihitsy hoan’ny tanora ny tsy fahafahana mamonjy tsena nohon’ny ty fisian’izay fialam-boly firy.

Rehefa vory maro tahaka izany ny vahoaka dia misy koa ireo izay nanampatra be loatra tamin’ny zavatra maha-domelina ka mitarika fisavorovoroana na ady. Tsy vitsy ireo tsena izay mirava amin’ny ady ifanaovan’ny mpiantsena. Farany dia tsy hadino koa fa ny andro tsena no anararaotan’ny jiolahy hanendahana ireo mpivarotra mody, satria amin’iny fotoana iny dia iaraha-mahalala ny fisian’ny vola be mandehadeha sy mifanakalo tànana.

Zary adino izany fomba fiainana tsotsotra izany hoan’ny mponina aty an-tanàna izay afaka miantsena araky ny sitraky ny fony na dia ho isan’andro mihitsy aza. Aty amin’ny firenena tandrefana karazana fandaniana andro hoan’ny sasany ny fiantsenana, misy aza tena heverina ho voan’aretina fietsenana mihitsy [shopping addict | magasinite aigüe].

Ho fanoherana izany firohotry ny fiaraha-monina amin’ny fividianana mihoa-papana izany no antom-pisisan’ny « Andro tsy iantsenana » [Journée sans achat | Buy Nothing Day, BND] izay hankalazaina rahampitso Asabotsy 24 Novambra 2007. Tsy dia fombako ny miantsena isan’andro, noho izany dia tsy olana amiko izay andro iray tsy iantsenana.

Fa ny tena raharaha dia asa raha ataon’ireo mpikarakara fampisehoana Malagasy aty amin’ny manodidina aty fanahiniana, fa tamin’ny herintaona io andro io no efa nofidiany hanatanterahana fampisehoana « Lôlô sy ny namany » ary amin’ity taona ity indray dia vinanio hoe rahoviana no hanaovan’i « grand maître Salegy Tianjama » ny fampisehoany voalohany aty amin’ny faritra aty ? … Mbola amin’io andro io ihany koa. Isan’ny mpankafy Lôlô aho ary tsy mbola nahita an’i Tianjama an-tsehatra ka dia angamba ny firariantsoa « Happy Thanksgiving ! » no rariana ireo izay rehetra mankalaza izany dia « Eh ! Veloma e ! Asabotsy mifankahita ! » :)

Andro tsy iantsenana : Vohikala Iraisam-pirenena | Alemaina | Amerika sy Kanada | Arzantina | Danmarka | Fanjakana Mitambatra (UK) | Filipina | Finlandy | Frantsa | Holandy | Hông Kông | Indonezia | Israely | Italia | Japàna | Neo Zealandy | Norvezy | Pôlôgna | Pôrtogala | Romania | Soeda | Soisa | Taiwan [aleo angamba tsy manoratsoratra foana rehefa tsy mahafantatra izay dikanteny Malagasy tokony ho tandrify an’io firenena farany io 😉 ]