Tsy lavina ny tokony sy tsy maintsy hifampiankin’ny olombelona. Saingy mampalahelo fa eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia tsy hita loatra izay vokatry ny saina Malagasy (izaho tsy miteny hoe tsy misy an!) na zavatra namboarina Malagasy ampiasaina. Misy vitsy ihany eny ananonanona eny. Fa mba voatrandraka sy omen-danja ho afaka mivelatra ve izy ireny ?. Voka-pikarohana maro no mipirina any ho any noho ny tsy fisiana na noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, fikaonan-doha maro no efa nalevin’ny andro sy ny taona. Milevina anaty vovoky ny fanadinoana sy lanin’ny koroka ny antontan-taratasy sy boky mitahiry azy ireny. Noho ireo voatanisa ireo dia ny vokatry ny saina vahiny no ketrehina hampandroso an’I Madagasikara. Eny fa na dia ny M.A.P. aza dia misy mpanao gazety milaza fa hala-tahaka avy any ananona any izy io no narindran-dRamalagasy. Aza gaga àry raha tratry ny tamberin-tany eto an-toerana sy tsy tafavoaka ny valan’ny moramora eto foana isika mianakavy. Mba tsy hihemotra aza, sanatriavina !
Amin’ny andavanandrom-piainana, eo amin’ny seha-pihariana, raha mba misy ny nivaky loha namoaka voka-pikarohana, dia misy koa ny vaky loha haka tahaka fotsiny fa tsy mba hamorona (jereo ny CD pirates mameno an’Analakely dia ho tsapanao izay zavatra lazaiko izay). Hala-tahaka ampiasaina amin’ny fomba tsy ara-dalàna sy amin’ny sehatra rehetra mba hitadiavam-bola avy eo.
Rraha voatery tsy maintsy haka tahaka ihany dia sady maka tahaka no mitondra fanatsarana ho an’ilay asa nalaina tahaka, dia handroso « Gasikara ».

Enga anie samy hiezaka hanatsara sy hamorona ny tsirairay.