Ny olombelona fandrin-drano…
« Ny olombelona fandrin-drano, ka tsy misy avo sy iva » Entina ilazana fa tsy tokony hisy mihitsy ny fanavakavahana eo amin’ny samy olona, na amin’ny lafiny inona io na amin’ny lafiny inona. Izay, indrisy!, mbola misy sy hita na dia izany aza. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny eo amin’ny lafiny fitsaboana, fianarana sy ny sisa aho. Aty Madagasikara io resahako io an! Na dia izany aza anefa dia tsy tokony hanonofy be loatra koa isika olombelona, satria na ny rano heverina ho faran’izay tony aza, rehefa mandry ilika mitaratra azy ianao, dia hahita fa hay misy onja (petites vagues) kely mandady miteraka tsy fitoviana ihany eo amboniny eo. Sa tsy izany?… Misy ohabolana iray hafa mitovy hevitra amin’io ka raha hitanareo dia mba avoahy. Raha tsia moa, dia omeko eto ihany amin’ny manaraka.
dikanteny : »Les hommes sont pareils à la surface d’une eau tranquille,il n’y a ni haut ni bas«
6 commentaires
Vola
En fait, j’en connais un seul de proverbe: Ny olombelona tsy akoho. MDR, le truc plein de poésie 🙂
Vola
Donc merci pour tous tes billets 🙂
(me sens moins inculte maintenant :))
Tattum
😀 😀 😀 Elle est bonne celle-là!
Mais c’est clair qu’il s’agit de citations jamais entendues! Tant mieux.
ikalakely
Raha alalina ve izany io « avylavitra » dia ekena ihany fa misy ny tsy fitovian-jo?
Tomavana
Tena mikaroka aho fa tsy mahita izay sahala fa dia miandry ny valiny sisa izany 😉
Avylavitra
Tomavana> ilay hoe Tsihy be lambanana no mitovy aminy.
Ikalakely> tena marina mihitsy ny teninao, fa rehefa tsikeraina izy io dia misy ny tsy fitoviana, fa ezahina saronana amin’ny tsilalaon-teny fotsiny. Sa tsy izany?