Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro….
Tsy fantatro na efa mba henonareo izy io na tsia, fa toy izao izy amin’ny endriny feno: Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro, mbetika ambony, mbetika ambany.
Raha hazavaina tsotra dia hoe toy ny varin’ampango mangotraka ny olombelona, misy fotoana misondrotra ery ambony izy, ary rehefa avy eo indray (ohatra hoe mangatsiaka ilay rano , na maty ny afo) dia lasa ery amin’ny vodi-vilany indray izy. Ny Voatra izany eto dia milaza ilay « cycle’ miverimberina vokatry ny hafanana mampangotraka ny rano iny. Ny ampangoro indray dia ilay nafohezintsika ankehitriny hoe ampango. (nihavian’ny hoe ranon’ampango sns….).
Raha adika teny frantsay izy io dia toy izao: »Les hommes sont comme le riz qui bout dans la marmite, tantôt en haut, tantôt en bas »
16 commentaires
jentilisa
Dia tonga soa rahalahy, dia hofenointsika teny malagasy amin’izay ity malagasy miray ity angamba an!
Tomavana
Izany no tena atao hoe « miaraka amin’ny vava » 😀 vaovao tamiko mihintsy ilay ohabolana irainy iny, ary ity no heveriko ho mitovitovy aminy : « Kodiaran-tsarety ny fiainana, mbetika ambony, mbetika ambany » ilazao ihany aho raha toa ka ohabolana noforoniko io
« la vie est comme la roue d’une charette, tantôt en haut, tantôt en bas »
Tattum
Dia tonga soa tokoa ry Avylavitra, fa ataovy maro ny ohabolana sy ny soratra maro, fa misy hienarana marina.
Avylavitra
Tomavana> marina io ohabolana nomenao io. ary io no mitovy aminy.
Tattum> mino aho fa tsy ho tezitra ahitsy ianao ranabavy an! Tsy izany fa ny hoe hienarana dia diso fa » hianarana » no izy.
Fototeny: anatra, ho avy => Hi-anatra, lasa => Ni-anatra, ankehitriny => Mi-anatra. Ka rehefa tovanana izy vao manome ny hoe Hi- ana(tr)r-ana.
Azafady fa izay kely mba haiko dia ampitaiko. Tsara kokoa mantsy ny mizara noho ny mandray.
Tattum
Avylavitra> 🙂 aza taitra fa izaho alohany dia tsy mba ho hitanao ho tezitra amin’ny izany, fa faly mianatra isan’andro, ka raisina tanan-droa ny fizarana.
Avylavitra
Tattum> dia mbola faly hanitsy ary aho an! ny hoe « alohany » dia « aloha » fotsiny no izy, ny hoe « raisina tanan-droa » dia « raisina an-tana-droa » no tena izy (fanafozezana ny hoe « raisina amin’ny tanana roa »). Faly ery aho afaka mba misy sehatra hafa azoko ifampizarana toy izao
Tattum
Avylavitra> 😉 eto aho izany vao tena hianatra malagasy a! Misaotra!
jentilisa
Tandremo ary sao masiaka ny mampianatra an!
Dotmg
« raisina an-tànan-droa »
Ilay tsindrim-peo eo amin’ny « a » tsy dia olana na tsy eo aza fa ilay « n » kosa amin’ny hoe tànan- dia tsy maintsy apetraka eo tsara.
Efa mba nihira ilay hira protestanta misy hoe :
Fa na manonja aza re
ny ria-dranomasina… ve ianareo?
Ao amin’ny fihirana dia ria-dranomasina no ao fa tsy hoe rian-dranomasina. Samy hafa mantsy ireo, na dia mitovitovy ihany aza, ny iray riana, ny iray riaka. Ny mpihira rehefa manonona dia manao hoe « rian-dranomasina », ary io no tokony ho marina kokoa raha ny heviny satria ny riaka toa milaza ilay rano mandeha amin’ny làlana iny rehefa avy avy ny orana, fa ny riana kosa no toa milaza ny onja (manoha riana).
nante9
Ny resaka ranon’ampango no tiako asiana fanazavana henoko tamin’ny onjam-peo:
inona no mahasamihafa ny ranon’ampango sy ny ranovola?
Tsotra ihany kay: ny ranovola dia rano avy amin’ny vary novidiana ary ny ranon’ampango dia rano azo tamin’ny vary novolen’ny mpisotro azy. Nanongilan-tsofina mihitsy aho naheno an’io fanazavana io fa nahaliana ahy. Asa ny hevitr’ireo akademisiana.
Vola
Za koa faly mianatra isansquowhawydandro.
🙂
Avylavitra
Dotmg> raha ilay fanazavana entinao no jerena dia RIAKA no izy. Fony taloha mantsy dia fiteny matetika ny hoe ANY AMORON DRIAKA noho ny hoe AMORONTSIRAKA. Ary koa ny hoe ‘TETO ANIVON’NY RIAKA » mba hilazana ny Nosy Madagasikara eo anivon’ny ranomasim-be (océan). Nahafinaritra aloha ilay fanehoan-kevitrao satria raha tsy nisy an’iny tsy nahamarika io anaty fihirana nolazainao io aho. Raha miresaka ilay MANOHA-RIANA indray, dia izao no fahazoako azy: rehefa miteny ny mpikabary dia hoy izy ‘… vato manoha-riana…’. Somary malalaka be ny fijeriko eto satria dia be vato tokoa eny amom-pasika eny, ary inoako fa tena natao tokoa hanohana ny onja izy ireny. Hiaro ny morona. Nefa indray raha ilay hoe ‘… vato ambany riana, tsy mikorontana fa maka toerana…’ dia toa lasa (chute d’eau) rian-drano mianjera indray no ao an-tsaina. Mba omeo ny hevitra momba ireo fa tena liana be aho.
Misaotra
Dotmg
Misy sehatra ofisialin’ny akademia ahafahana mijery voambolana sasantsasany :
http://www.teny.org/karoka.php?demande=riaka&submit=Karohy
saingy ny riana sy riaka tsy mba tao. Rehefa mandalo any @ Zandrlà aho dia jereko ny dikan’ireo, fa mino aho fa marina ny fandinihana nataonao eto.
Helisoa
« Ny olombelona toy ny voatrsquowhawydampangoro, mbetika ambony, mbetika ambany. »
Mamangy,
miala tsiny aho raha toa ka tsy mitovy amin’ny voalaza etsy ambony sy tsy araky ny fantatry ny be sy ny maro ny FILAZAKO etona ny momba io ohabolana io.
AMPANGORO: teny malagasy ilazana ny vary fotsy nomasahana tanaty rano fotsiny tsy misy fangaro. Izay antsointsika ankehitriny hoe « vary maina ».
Ny ampangoro dia fiteny efa fahagola fa ny « vary maina » dia vao taty aoriana hatramin’ny nidiran’ny mpanjanaka !
Kanefa io teny io dia mbola ampiasaina amin’ny faritany malagasy toy any afovoan’ny Madagasikara sy any amin’ny Tanala: mbola misy fianakaviana malagasy maro mampiasa an’io teny io.
« Ampangoro » no nihavian’ny AMPANGO sy ny RANON’AMPANGORO na ranovola !
AMPANGORO (vary maina) dia HAFA fa TSY RANON’AMPANGORO (rano fisotro) mihintsy !
Ny vary ampangoro dia TSY MISARAKA AMIN’NY RANO.
Jereo tsara ny vary anaty vilany saba etc… na « casserole » aza ! fa lazaina hoe « MIAINA ny VARY » rahefa MIKETRIKA eo am-patana misy afo, izany hoe: rahefa mbola mangatsiaka ny rano dia ao ambany rano izy.
Vao manomboka mafana ny rano ka mangotraka dia misy rivotra mafana mivoaka ary dia MIFANDIMBY EO ny VOHITRA sy ny LEPONA ataon’ny vary.
VOATR’AMPANGORO eto dia raisina amin’ny hoe: « TAO ASA » (Zavatra vita= Vary masahana tamin’ny rano dia NAZAHOANA voatr’ampangoro => plus value)
Mba azahoana an’io dia misy toetra nandalovan’ny vary: atao anaty rano izay lasa mafana, mangotraka ka MIAKATRA dia ritra ka MILEFITRA !
Toy izany ny toetry ny fo sy ny sain’ny zanak’olombelona: mangotraka, misendoatra kanefa rahefa mangatsiaka ilay nampisavorovoro azy dia mitony ny fo sy ny saina !
« Tel du riz cuit dans l’eau, le coeur de l’homme est tantôt bouillonnant, tantôt froid ! »
Version Olga HELISOA, selon les moeurs et coutumes malgaches transmis par ses ancêtres depuis plusieurs générations.
Amitiés,
Olga HELISOA
Avylavitra
waouuu! Faly be aho nahita ity fanazavanao ity. Marina tokoa fa samy manana ny fandraisany azy, ary hitako fa fandalinana manokana io nataonao io. Tsy misy maharatsy azy fa tena fisehoan’ilya hoe MIAINA KOA NY TENY. Ary anisan’ny mandray anjara amin’izay famelomana ny teny izay isika. Fankasitrahana tanteraka no atolotro anao!
Elaela aho tsy namangy tato, nefa dia zava-tsoa no nitsena ahy nony tafaverina indray.
saveoursmile
miarahaba antsika rehetra,
mahaliana tokoa ireo fanazavana hita eto (sady mianatra antsokosoko ato ihany moa ny tena… lol)… fa mba misy fanontaniana kely izay afaka mamaly azafady: voalaza hoe ilay voatra dia midika hoe « cycle » eto (izao aho vao mahafantatra an’io)… misy ifandraisany ve io voatra io sy ilay hoe « manamboatra » (sa moa tsy voatra koa no foto-tenin’io « manamboatra » io?)