Ho avy aho.
19 mars 2007
Malala ô,
Ny zanatsika roa,
ampatorio aloha,
fa te-hahita an-dria aho.
Ny entana sy trano
Diovy, sasao rano
fa te-hahita an-dria aho.
Ny rano omano am-patana
hifampandroana vatana
fa te-hahita an-dria aho.
Malala ô,
Ilay varavarana io
aleo hitafitafy
Hidirako io anio
F’izaho tsy hihafihafy.
Tsy adanadana anefa
raha toa tsy manahirana,
antonona ahy io rehefa hoe
afaka idirana.
Ary mba tsy haneno ny
savily sy karetsaka:
Mba angalaon-dria menaka.
Dia iny no atenteno
Ataovy betsabetsaka,
fa te-hahita an-dria aho
Kanefa aoka kosa
tsy ho vonto tafahoatra,
Fandrao dia mampisosa
Raha toa malama loatra.
Malala ô,
Dia aoka izao tsy ho adino:
Raha tonga any aho akia,
Giazo sy fihino
Izay fara-herin-dria.
Izay fara-hery mihitsy
F’aza misalasala.
Indria aza mitsitsy
fa tantiko io Malala.

This work is licensed under a Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 License.


License
tomavana says:
19 mar 2007 12:23
> Ilay varavarana io aleo hitafitafy …
Raha izaho angamba aleoko mba miara-mihaona amin’ny ankizy koa;)
F’ahoana kosa no dia tonga mangingina sy ankisokosoko amin’ny alina ?
Tena tsara
fa misaotra
jentilisa says:
20 mar 2007 8:24
Tsy mety kosa raha mihaona amin’ny ankizy amin’izany taranja fanasana sy na karazany izany koa!
dotmg says:
20 mar 2007 11:16
Ka amin’ity hevitra ankifonofono ity tsy fantatra marina intsony koa ny tena dikan’ny hoe ankizy amin’ny tsirairay. Mety ho samy manana ny fandikany azy fa tsy ara-bakiteny.
Malagasy aty California says:
20 mar 2007 13:32
dotmg> I am not sure I understood the title but I am sure of one thing: there is plenty of double entendre in your poem. I like it because my Malagasy was challenged. Misaotra!
Tattum says:
21 mar 2007 0:26
Matetika aho tsy dia tia laotra mamaky tononkalo fa tamin’ny ity, sady mitsiky ihany no mankafia, misaotra anao.
Fa marina fa elaela kokoa ny famakiana!!
Su says:
22 mar 2007 14:47
Ohh DotMG. Les allusions….!!!!