Inona angaha izany hoy ianao? Raha mandeha any amin’iny faritra atsinanan’i Madagasikara iny ianao dia hahita fontsy be dia be, misy miteronterona eny ambony tendrombohitra ngazana toa miantsy ny zava-maitso hoe mba miakara ety raha mahatanty, ny sasany kosa miara-milenodenoka eny an’ala amin’ny hazo sy ny zava-maitso hafa isan-karazany.
Na i Madagasikara aza no fiavian’ny fontsy dia hita eran-tany izy io, naparitaky ny olona noho ny hatsarany. Fa tsy izay hatsarany izay loatra no ho tanteriko eto fa ny fampiasan’ny olona azy. Efa samy mahafantatra daholo angamba isika hoe inona no atao hoe trano ravim-pontsy na trano falafa. Ny fontsy ny fitaovana hanaovana azy io.

Araka ny anarany izany moa hoe trano ravim-pontsy, dia ny ravin’ny fontsy – na ravinala angaha no mahazatra ny be sy ny maro – no hanafoana ny trano. Hamainina ny ravin’ny fontsy, dia atao rafitra mifanaingina toa ny kiran-trondro ka avy ery ambany no atomboka raha tsy izany mitete ny trano. Ny falafa indray dia avy amin’ny ravin’ny fontsy ihany koa. Sarahana amin’ny tena ravina ny kira dia amainina. Iny no atao hoe falafa izay atambatra hanaovana ny rindrin’ny trano. Volotsangana matetika no ampiasain’ny olona hanambarana ny falafa. Vakiana ny volontsangana dia zarazaraina amin’ny halavany. Tapahina amin’izay ilana azy dia ranitina ny tendrony iray. Telo na efatra amin’ireo volo voazarazara ireo no hanohizana ny falafa. Rotsan-kazo koa indraindray no ampiasaina rehefa tsy misy ny volotsangana.


Tsy ny trano ihany no ampiasana ny fontsy. Raha hisakafo ianao ka tsy manana lovia dia manapaha ravinm-pontsy dia velaro androsoana sakafo. Tsy misy sotro ve? Manapaha ravina tokony ho folo na dimy ambin’ny folo santimetatra ny sakany (esory amin’ny kira). Havalony roa manaraka ny alavany ka ilay lafiny maitso be sy malamalama iny no ataovy aty ivelany, dia foleso eo ampovoany avy ao aoriana dia mahavita sondroka (izay no anarany) azo hisakafoanana tsara ianao. Avy ny orana nefa ianao tratra aoriana any anaty ala? Manapaha ravina iray manontolo hatao elo. Hazony amin’ilay kirany. Mangetaheta ianao nefa tsy misy rano? Raha manana antsy ianao na hazo manitra azonao tapahina eny an’ala koa dia atsatohy amin’ilay faritra tsy matoy iny ilay izy dia misy rano mivoaka eo. Ny felan’ny fontsy koa dia mitahiry rano (izaho aloha mbola tsy nisotra an’ireo rano ireo ka tsy fantatro na tsara izy io na tsia). Ny atin’ny fontsy koa na ovitr’ala dia azo hohanina. Tsy dia tiako ilay izy fa mangidy izany sady na fotsifotsy be aza ilay raha mbola manta dia lasa mangamangana izany rehefa masaka. Ny rano nandrahona azy koa dia lasa misy mangamanga.

Tsy dia sarotra ny mahita ovitr’ala amidy eny an-tsena satria tsy voarara toa an’ny ovi-drafia, izay mahavoasazy ny fangalana azy. Araka ireo dia toa voamarina ihany ilay fiantsoan-dry zareo anglisy ity hazo ity hoe “traveller’s tree”.