Non classé

@ tantaran’i Madagasikara

Tery aho ny hanoratra eto haingana noho ny adi-hevitra mety ho teraka vetivety taminsquowhawydilay lahatsoratra vao hitantsika mikasika ny tantaransquowhawydi Madagasikara. Tsy manam-pahaizana momba ny tantara ny tena nefa dia tena tia handalina ny tantaram-pirenena tokoa.

Fantatsika rehetra aloha fa tena mbola vitsy ny raki-tsoratra mikasika ny tantaransquowhawydi Madagasikara. Mbola ezaka manokana noho izany ny mamoaka sy mampahafantatra aminsquowhawydny be sy ny maro ny aminsquowhawydizany tantara izany. Izaho moa, famerimberiko ity teny ity dia tsy nianatra momba ny tantaransquowhawydi Madagasikara raha tsy taminsquowhawydny taona fahadimy, taona fahavalo irery ihany nandritra ny taom-pianarako manontolo. Hetaheta be tao amiko noho izany ny manangona izay rehetra mahaliana ahy mikasika ny tantaransquowhawydi Madagasikara.

Ny teny hoe « tantaransquowhawydi Madagasikara »

Fandrika iray lehibe ho ansquowhawydizay manoratra tantara ny miseho ho mahalala manontolo ny tantara rehetra ansquowhawydi Madagasikara. Tsy misy ihany koa ny tokony hihambo ho mahafantatra ny tantaransquowhawydi Madagasikara. Taminsquowhawydny zava-nitranga taloha raha nisy ny nanoratra ny tantaram-pirenena iray dia nisy avy hatrany ny nandidy dia homana. Ohatra : « Histoire de France » tondro tokana fanerena hanana fijery tokana io matetika. Nampisy adi-hevitra be hoe tsy maintsy izay fomba fijery izay ve no atao hoe tantaransquowhawydi Lafrantsa ohatra. Teraka noho izany ary fa be ny fomba fijery ny tantara koa rehefa manoratra ny tantaram-pirenena ny mpanoratra iray dia manoratra mazava tsara hoe « Une histoire de France ». Asa raha efa mazava amintsika na tsia ny fanazavana tiako ahatongavana.

Hazavaiko aminsquowhawydny alalansquowhawydny hevitra hafa indray na dia tsy mifandraika loatra aza. Ataoko fa efa nahita baiboly avokoa isika rehetra. Dia efa nahita ihany koa ny Evanjely na Filazantsara na Vaovao Mahafaly ao anatinsquowhawydio Baiboly (kristiana) io. Misy ny Evanjely araka ansquowhawydi Matio, Misy ny Evanjely araka ansquowhawydi Marka sy ny hafa moa izany. Raha atao ny fampitahana aminsquowhawydireo Evanjely na Vaovao Mahafaly na Filazantsara efatra ireo dia tahaka ny mitantara zavatra iray ihany ry zareo nefa samy manana ny fitantarany azy avy ireo mpanoratra efatra ireo. Dia tokony ho sahala aminsquowhawydizany ihany koa rehefa manoratra ny tantara izay te-hanoratra ny tantaransquowhawydi Madagasikara. Izay indrindra no mahatonga ahy hanoratra ny lohateny hoe « Aminsquowhawydny tantaransquowhawydi Madagasikara » eo ambony.

Aminsquowhawydizay fotoana izay, tsy maintsy ny zavatra nitranga no tantaraiko fa manana ny fomba fitantarako azy aho. Tsy voatery aho hanao Bemiray ny tantaransquowhawydi Madagasikara manontolo fa miezaka hampivoitra kosa izay zava-nitranga goavana rehetra taminsquowhawydny tantaransquowhawydi Madagasikara. Manana ny fomba fijeriko aho aminsquowhawydny hanoratako ny tantara saingy tsy mety kosa raha minia mandainga aho aminsquowhawydny fitantarako. Noho izany adidinsquowhawydny rehetra ny miezaka mamoaka tsikelikely izay rehetra fantany momba ny tantaransquowhawydi Madagasikara.

20 commentaires

  • Malagasy aty California

    Jentilisa- J’aime l’analogie. Misaotra anao mampatsiaro any rehetra fa samy afaka mitondra « briky » ny tsiray iray.

  • lovarakoto

    Mazava tokoa ny fanazavan’ Jentilisa. Ny boky ny soratany ny Dokotera Lesley Sharp  » The Sacrificed Generation » dia momba ny tantaran’ Ambaja sy ny mandidina. Dia be dia be ny zahatra tsy fantatro momba ny tantaran’  » kingdom of Ambaja » ary faly aho namaky an’ilay tantara. Tonga aminy tenin’ Malagasy at california hoe, « samy afaka mintondra « briky » daholo.

  • JoGany

    Tena marina zany soratrao zany i jentilisa a!
    Vous vous souvenez des guerres de religions sorties de différentes interprétations de la Bible ou du Coran?

    Bonjour Quebec dray ê !
    (Bonjour ici peut aussi se dire « au revoir » vice versa)

  • Tattum

    Tonga soa a! 🙂 Faly dia faly mandray sy mamaky anao eto ry Jentilisa a.
    Ho mbola maro no vakina sy hienarana momba any ity tantaran’i Madagasikara.

  • tomavana

    Marina ny teninao ry Jentilisa, ‘marina samy marina, fa tsy maintsy fidiana izay ahandrahandra’. Sainga miaiky koa ankehitriny ireo mpanao tantara fa izay ‘mpandresy no manoratra ny tantara’ [c’est le vainqueur qui écrit l’histoire].

    Tafaresaka tamin’olona niaina avy any Dresde, mahatsapa izy fa na dia hoan’ireo mpanao tantara aza dia ‘relatif’ ny tantara, ohatra mety ho mora kokoa ny mahita bourse hiantoka fandinihana ny ‘camp de concentration’ noho ny ‘Bombardement de Dresde’ [>35’000 morts].

    Anazavako ny teniko, i Frantsa izay fatra-mpanosika an’i Turquie hiatrika ny raharaha Armeniana dia malaina tokoa ny hanokatra ny ‘dossier 1947’ tany Madagasikara 🙁

  • Rajiosy

    misy boky mirakitra ny tantaran’i Madagasikara iray manontolo nosoratan’Atoa Frédéric Randriamamonjy masoivoho malagasy fahiny tany URSS. hita ao avokoa ny momban’ny mpanjaka avy amin’ny lafy maro manerana ny nosy. ataoko fa asa goavana mety hampitony ny hambom-pom-paritra mirehidrehitra etsy sy eroa izy io.

    ny indrokeliny ? misangodina amin’ny mpanjaka ny resaka ka i ranona tatsy ananona nandimby an-dranona izay nanafika an-dranona. ny lafin-tantara hafa izany dia mbola ho zokin’ny ao aoriana…

  • jentilisa

    Ka izay indrindra no olana amin-dranona atsy. Nefa raha tsy fanjanahantany no niainana tamin’ny tantaran’i Madagasikara dia fahampanjaka.

    Ny tsara ezahina manko dia ny hamoahana araka izay tratra aloha ny tahirin-kevitra rehetra vao mipaka amin’ny fandravonana isika. Lalana tsy maintsy diavina izany vao mety hahafantatra zavatra maromaro kokoa amin’ny tantaram-pirenentsika isika.

    Maromaro ihany koa ny boky vao nivoaka vao haingana. Toy izany ny an’Atoa Mervyn Brook (andraso aloha sao diso ny fanoratako ny anarany) izay namoaka tamin’ny teny anglisy. Na izany na tsy izany dia ifampitadiavana ny boky tantara eto amin’ny tanàna.

    Marihina ihany koa fa vao namoaka boky 1895 – 2002 ihany koa Atoa Randriamamonjy frédéric. Tsy nahafapo ahy loatra ilay boky nefa tena ahitana ny loharano maro hanovozam-pahalalana hafa ao anatiny.

  • ibasan

    tena tsara ilay mahalala ny tantatra ny firenena indrindra fa ity madagasikara be fahendrena ity e
    nam myoho renge kyo

  • Brice SSD

    TSara dia tsara ny sos-kevitr’i Jentilisa sady mahavelom-bolo fa hay tsy ny tena ihany no manana eritreritra handalina ny tantaran’ity Nosy ity. Mila ialana fotsiny ny fandriky ny fitongilanana raha tena tiana ho mifanaraka amin’izay miseho no voalaza ao anatin’ireo voka-pikarohana hivoaka manaraka.

  • Mahakolo

    Mahafinaritra ny resaka eto, ka na dia aty @ 2009 aza izahay vao mandray ny resaka dia inoana fa mbola misy ihany ny mety mamaky ity.

    Mbola ato anaty firenena tsy milamina moa izao fotoana izao, nefa koa toe-javatra toy izany indrindra no mahatonga ny maro te handinika sy hahafantatra ny tantara.

    Misy maro amintsika malagasy tsy mahafantatra akory ny tantara, fa tany @ t5 (7eme) no nianatra izany farany. Izany aza voadingadingana be fotsiny.

    Ireto misy fanontaniana vitsy2 mba ilana valiny aminareo:
    – Mba azavao hoe ny maha-samihafa ny Mpitolona menavazana sy ny anciens combattants dia mba situé-o anaty histoire hoe ny fisian-dry zareo ireo.
    – Tamin’ny 1972 – > 1975 inona tsara no zava-nisy teto Madagasikara fa voadingana be loatra ?
    – Inona moa ny rôle n’ny FRS (mba alavao kely koa ?) ny GMP ?

    Ary farany dia saika mba hanao ezaka ny association MAHAKOLO misy anay:

    1) hampahafantatra ny tantaran’i Madagasikara hoa an’ny daholobe (mety ho conference io na forme hafa) ary ho tonga eo ny vavolombelona maro araka izay fotoana niainany izany.

    2) hanangana symboles isaky ny tournant de l’histoire teto Madagasikara mba ho mariky ny tantara sy mba ho hitan’ny taranaka ho avy (oh: 13 Mai 1972, 10 aout 1991, 2002, 2009) satria tsy mba misy zavatra mba mipetraka fa toa ny tsangambato 1947 sy 26 juin 1960 foana no mba hita n’aizan’aiza

    Misaotra @ valiny ary dia ba alefasoa ao @ mahakolo@laposte.net ny valiny raha azo atao.

  • jentilisa

    Miala tsiny aho raha izao vao nahita ity fanontaniana ity. Averiko indray fa tsy mpahay ny tantaran’i Madagasikara aho fa tia hahafantatra azy tsara kosa. Mizara izay kely fantatro fotsiny aho noho izany. Ny anciens combattants dia ireo voantso ho miaramila hiatrika ady tany Eoropa aloha nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa, tany izy ireo nandritra ny taona vitsivitsy: ny zava-nitranga dia na efa ela aza no tena tapitra ny ady lehibe dia herintaona na roa taona taty aoriana vao nampodiana ireo anciens combattants antsoina hoe bekotromaroholatra ihany koa. Niteraka lonilony teo amin-dry zareo izany toe-javatra izany.

    Ny Mpitolona menavazana kosa dia ireo Malagasy rehetra nandray fiadiana tamin’ny 1947 hanoherana ny fitondram-panjakana Frantsay teto Madagasikara. Saiky tany Ambanivolo tany ny ankamaroan’izy ireo ary fitaovana tsizarizary no mba nentiny hanaovana izany fanoherana izany. Nisy fifandraisany betsaka mety ho nahatonga fifangaroana anefa ireo teny hoe Bekotromaroholatra sy mpitolona menavazana ireo satria saiky nandray anjara tamin’io tolona io avokoa ireo miaramila Malagasy nalefa hiady tany Eoropa. Izay no mety nampisavoritaka ny fahalalan’ny olona.

    Nandritra ny 1972 – 1975 dia nisavoritaka ihany koa teto Madagasikara. Tamin’ny 1972 manko raha nanome ny fahefana ny Jly Ramanantsoa ny filoha Tsiranana tamin’ny 18 mey 1972, ny tao an-tsain’ny filoha, araka ny fijeriko azy dia karazana praiminisitra ihany ny Jly Ramanantsoa. Ny tao an-tsain’ny Jly anefa dia toy ny hoe efa nomena azy mihitsy ny fahefana. Rehefa nilamindamina ary ny hetsiky ny mpianatra lasa hetsi-bahoaka dia notakian’ny filoha Tsiranana tamin-dRamanantsoa amin’izay ny fahefana. Raikitra ny fifandrirarirana teo amin’ny roa tonta ka ny nataon-dRamanantsoa hitazonana ny fahefana dia ny nanao fitsapan-kevi-bahoaka hitantanany mandritra ny dimy taona ny firenena (1972 – 1977 izany). Nandresy ny eny ka dia izy no nitantana ny firenena. Governemanta teknisiana no napetrany teo sady vitsy mihitsy ny isan’ny mpikambana tao anatiny, ka izay no nampisy miaramila vitsivitsy tao amin’ity governemanta ity. Tsy tena nanana vina iraisana loatra ireo mpikambana tao anatiny ka samy nanao araka izay heveriny fa mety avy ny tsirairay tamin’ny mpikambana afa-tsy hoe nisy ifampierana angaha.

    Olona roa anefa no tena nisongadina tamin’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta dia ny minisitry ny atitany ny Kolonely Ratsimandrava sy ny minisitry ny raharaham-bahiny ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier. Hita mihitsy fa nifaninana haka ny fon’ny olona (mety ho efa nikendry sahady ny hitondra firenena aoriana izy mirahalahy ireo). Samy nanana ny tiany ny olona. Nandritra izany fotoana izany, dia nisy ny fanasoketana sahady ny « fandraisan’ny malagasy ny fitantanana ambony any amin’ny minisitera sy any amin’ny sampan-draharaha lehibe any » izay nantsoina hoe « malgachisation » tamin’izany, tsy mbola tena nidiran’ny fampianarana loatra ilay « malgachisation » tamin’ny voalohany araka ny fahalalako azy, enga anie tsy ho diso izay filazako izay. Nalaza tamin’izany ny hoe « malgachisation= merinisation ». Merina indrindra manko ny nitondra ny firenena ka nahindrahindra aoka izany fa tsy tokony hitondra firenena izany Merina izany (fandrao mamerina ny fahampanjaka). Tamin’ny 1973 dia velona ny fanenjehana ny Merina tany Toamasina ka nahatonga an-dRazanamasy Guy Willy voatery nifindra teto Antananarivo ohatra. Tany amin’ny zandarimaria tamin’izany fotoana izany no nialokaloka ny mpiavy. Efa nampanahinahy sahady hoe iza moa no tao ambadik’itony fampisaraham-bazana itony.

    Nasiaka tamin’ny fampivelarana ny Malagasy ny Kolonely, indrindra tamin’ny fandrafetana ny rafitra fokonolona sy ny fananganana ny vatoeka (vaomieran’ny toekarena), ka maro ny mpanaraka azy. Nanapaka ny fifanarahana manokana teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay ihany koa ny Kapiteny Ratsiraka ary dia maro no nitehaka an’izany. Maro manko ireo nihevitra ny hiala tanteraka amin’ny vahohon’ny Frantsay… fa izany tsy midika fa vitsy ny mbola te-ho Frantsay. Nisahotaka hatrany ny faritra maro ka tsy tanan’ny jeneraly intsony ny fitondrana, nikomy rahateo ka namahatra tao Antanimora ny FRS (Forces Républicaines de sécurité) izay niova anarana ho GMP na Groupe Mobile de Police, naleony nampitaina tany amin’ny iray amin’izy mirahalahy ny fanilo. Ny hitantsika moa dia ny KOlonely Ratsimandrava no nandray izany. Tsy ampy herinandro anefa dia efa nisy nandaboka io lehilahy io. Noho ny tsy fisian’ny mpitondra mivantana dia voatery noraisin’ny Miaramila ny fahefana. Izany hoe satria tsy misy mpitondra intsony ny firenena vao nijoro ny Miaramila (Directoire Militaire), ary hitantsika fa tsy mbola tia loatra izany hoe manongam-panjakana izany ny miaramila malagasy aloha. Raha mbola misy mpitondra eo dia iny hatrany no toaviny rehefa iny no ara-dalàna.

    Vao nijoro ambolana io Directoire io dia nisy ny faneriterena hisian’ny tena hitondra an’i Madagasikara indray. Ny Kolonely Soja no nifaninana tamin’ny Kapiteny Ratsiraka. Raha atao hoe samy nifidy ny vondrona nisy azy avy ny tao anatin’ny directoire dia tokony ho resin’i Soja vato iray Ratsiraka. Ny zandary manko no nihoatra isa iray noho ny miaramila. Nisy zandary iray izany tsy nifidy ny vondrona nisy azy ka nibatan-dRatsiraka ny fitondrana. Tsy fantatra loatra hoe iza izy io, fa ny hita aloha dia ny Jly Désire Rakotoarijaona no lasa praiminsitra fotoana vitsivitsy taty aoriana. Tamin’ny 15 jona 1975 no nisian’io fifidianana teo amin’ny samy mpikamabana tao amin’ny « diréctoire militaire » io. Tamin’ny 30 desambra kosa indray no nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny hitondran-dratsiraka ny firenena ka fanontaniana telo no indray valiana amin’ny « eny » iray na « tsia » iray. Nandresy indray moa ny eny taorian’izany dia hitantsika nitsangana ny Repoblika demokratika malagasy ary natao fety ny 30 desambra nandritra ny repoblika faharoa. izay aloha no mba kely hay ka asa na mahafa-po anao na tsia.

  • Lysnorine

    27 Desambra 2009
    Sendra nianjery taminsquowhawydity pejy momba ny tantara ity ny mpanoratra ka noheveriny fa misy fanitsiana goavana sy famenoana tsy maintsy hatao izao dia izao tokoa. Ary enga anie izany ka mba hampirisika ny mpamaky tsy handray befahatany ny tantaransquowhawydi Madagasikara anganoganoinsquowhawydny Frantsay sy ny Malagasy forongony noho ny antony pôlitika, sy handinika bebe kokoa ny tantaram-pireneny

    1°-« Ny anciens combatants dia ireo voantso ho miaramila hiatrika ady tany Eôrôpa nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa.. »

    Ny Malagasy «anciens combattants» izany hoe ny teratany nantsoina taminsquowhawydny anarana eso hoe « indigène» dia nilatsaka AN-TSITRAPO HIADY fa tsy hoe voantso ho miaramila noho ny fipoahansquowhawydny Ady Lehibe anankiroa nanerana izao tontolo izao. Ny nizaka ny satam-pirenena frantsay ny «citoyens français» ihany no tsy maintsy voantso ho miaramila. Ilaina antitranterina tsara etoana fa efa voasivana tsara ireo «indigènes» nilatsaka an-tsitrapo hiady ho ansquowhawydi Frantsa Renimalalany ireo ny aminsquowhawydny toe-tsainy amam-panahy ananany raha ny fanompoany ansquowhawydi Frantsa sy ny Frantsay ary ny fankatoavany ny maha-tany fanànan’i Frantsa an’i Madagasikara no banjinina. Ohatra iray, raha vao nipoaka ny Ady Lehibe 1 taminsquowhawydny Aogositra 1914 dia anisansquowhawydny voalohany indrindra nilatsaka an-tsitra-po hiady ny ankamaroansquowhawydny taminsquowhawydizy fito lahy efa dokotera na mpianatra ho dokotera nanorina ny Vy Vato Sakelika (VVS) taminsquowhawydny taona 1913. Tsapansquowhawydizy ireo manko fa mety ho vao mainka hiharatsy ny ho avinsquowhawydny zanatany frantsay raha tany ka ny Alemà no maharesy. Avy hatrany anefa dia nolavina ny firotsahansquowhawydizy ireo satria fantatry ny Lehibensquowhawydny Sûreté Coloniale-BASTEL- sy ny Frantsay hatrany am-piandohany ny fijoroansquowhawydny VVS, izay TSY FIKAMBANANA MIAFINA velively araky ny filaza ny mpanao tantara frantsay sy ny Malagasy forongony na mpandray befahatany izao sora-bazaha rehetra izao. Mazava dia mazava ny antony nandavansquowhawydny Frantsay ireo Filoha nanorina ny VVS ireo. Ny mpanoratra moa dia nifandray akaiky dia akaiky taminsquowhawydny sasany taminsquowhawydireo MPANORINA ny VVS ireo.

    Noho izany, dia mazava dia mazava ihany koa fa matoa voaray ho miaramila ny «indigenes» nilatsaka an-tsitrapo taminsquowhawydny fipoahansquowhawydny Ady Lehibe 2 taminsquowhawydny Septambra 1939- toa ansquowhawyddry Monja Jaona na Andriamiseza Roger- dia olona azonsquowhawydny Fanjakana Kôlonialy nitokisana.
    Ho ansquowhawydizay tsy dia maharaka loatra ny fizotransquowhawydny tantara dia tsahivina fa
    (i) Taorianansquowhawydny Mey 1972 i Monja Jaona vao nivaky fa mpanorina ny fikambanana miafina JINA (nolazaina taty aoriana ela be fa hoe JINY indray hono no tena izy!) koa izy, izay fantatra hatry ny ela fa RAVELONAHINA Edmond, mpitsikilo malazansquowhawydny Sûreté hatry ny ela, no nanorina azy araky ny baikonsquowhawydny «Bureau des Affaires Politiques» sy ny Sûreté Coloniale» ary i Jules CASTELLANI, voanjo mpamboly kafe tany MANAKARA, izay karazana toerana foibeny! I RAVELONAHINA Edmond moa dia efa namadika ny VVS taminsquowhawydny faransquowhawydny taona 1915 raha tsy nihambahamba nanendrikendrika ny VVS tany aminsquowhawydny mpamototra azy izy fa hoe tena nitetika marina ny hikomy, hanapoizina ny fantsakana sy hamono na handroaka ny Frantsay ny VVS! Singanina manokana etoana fa TAORIANANsquowhawydny fifidianana depiote Malagasy voalohany indrindra taminsquowhawydny faransquowhawydny taona 1945 no nasainsquowhawydny Frantsay nanorina ny JINA i Ravelonahina Edmond fa tsy izany hoe nandritra ny Ady Lehibe 2 izany. Ary tsy antokonsquowhawydny Tambanivohitra izany ny JINA araky ny naelinsquowhawydny mpanoratra ny tantaransquowhawydi Madagasikara taty aorina: Tanora avy aminsquowhawydny tanan-dehibe voakarama, ankoatra ny olon-tso-po, diso mafana fo loatra voafitapitaka na maivan-doha. Ny ivelansquowhawydny tanan-dehibe dia NISANDOKA ho SAMPANA MIAFINsquowhawydny MDRM ihany ny JINA isarihana ny olona ka ny depiote MDRM, Dr Ravoahangy sy Dr Raseta, ihany no tena lehibeny andraisany baiko!
    (ii) Andriamiseza mirahalahy-Lucien sy Roger- moa dia fantatra fa isansquowhawydny mpanorina ny antoko voalaza fa miafina antsoina hoe PANAMA na Parti National Malgache- najoronsquowhawydny Voanjo frantsay sy ny Fanjakana Kôlônialy taminsquowhawydny andronsquowhawydny Marosaly Pétain, ary mazava ho azy ny «Pétaniste» fiaviansquowhawydilay «famaritana» hoe: «NATIONAL» Ny Malagasy mpiasansquowhawydny fanjakana kôlônialy sy tanora mpirenireny etsy sy erôa na mpianatry ny Lycée Galliéni no nampidirina ho mpikambana tao. I Lucien Andriamiseza dia fonctionnaire mahatokinsquowhawyd-ny fitondransquowhawydny mpanjanantany hatry ny ela: vao vita fianarana izy dia voatendry ho sekretera mpandika teny («écrivain-interprète») tao aminsquowhawydny kabinetransquowhawydny gôverinora jeneraly Cayla, misahahana raharaha miaramila (cabinet militaire,1933) ! Ny zandriny-Lucien- moa dia niasa taminsquowhawydny État-major ny tafika kôlônialy. Mety tsy ho takatry ny taranaka ankehitriny angamba hoe toa inona ny toe-tsainsquowhawydny «fonctionnaires» Malagasy taminsquowhawydny fitondrana kôlônialy, ny fisolelahany taminsquowhawydny Vazaha sy ny fangalany «19» aminsquowhawydny tatibolana fanaony momba dRanona sy Ranona-na havany aza- hoe: »Ratsy loha, tsy tia Frantsay, fahavalonsquowhawydi Frantsa, sns.

    2°- « Ny Mpitolona menavazana kosa dia ireo Malagasy rehetra nandray fiadiana taminsquowhawydny 1947 hanoherana ny fitondram-panjakana Frantsay teto Madagasikara… »

    Voafintinsquowhawydny mpanoratra tsara aminsquowhawydio fehezan-teny io ny fanodikodinana sy ny fanganoina ny tantaransquowhawydny 1947 taminsquowhawydny andronsquowhawydny «Tolom-piavotana» sy ny «Boky Menan-dRatsiraka ka novolavolain-dRamatoakely Gisèle Rabesahala sy ny tariny kômonista tao aminsquowhawydny AKFM.
    Mety ALOHA no mampahatsiahy kely eto ho ansquowhawydny taranaka ankehitriny fa ny Antoko Kômonista Frantsay, dia, tsy araky ny vavany ange, fa nanohana foana ny fitondrana kôlônialy eransquowhawydny zanatany frantsay na tany Indosinina izany na teto Madagasikara izany. Ary raha nalefansquowhawydny Secours Populaire Français (sampansquowhawydny Antoko Komonista Frantsay ihany) teto Madagasikara avy any an-dafy i Gisèle Rabesahala taoriansquowhawydny 29 Martsa 1947 dia (1) ny hanara-maso sy hitsikilo ireto avokà frantsay nafaransquowhawydny MDRM hiaro azy, sy indrindra indrindra (2) hisolo toerana haingana ny MDRM izay efa an-dalana ny fanapotehana azy tanteraka. Aoka tsy hohadinoinsquowhawydny mpandalina ny tantaransquowhawydny 29 Martsa 1947, fa Maurice Thorez, sekretera jeneralinsquowhawydny Antoko Kômonista Frantsay dia praeministra lefitra foana hatraminsquowhawydny fiafaransquowhawydny Ady Lehibe faha 2 taminsquowhawydny 8 Mey 1945, ary efa taty aorianansquowhawydny 29 Martsa 1947 izy vao voaraoka fa tsy niala tsy akory- tao aminsquowhawydny governemanta frantsay. Ny fehin-teny tsoahina avy aminsquowhawydizany dia izao: tomponsquowhawydandraikitra tanteraka ary mahalala tsara ny momba ny NANAPOAHANsquowhawydny Frantsay ny fikomiana teto Madagasikara ny Kômonista frantsay (sy ry Gisèle Rabesahala) izany. Ramatoa Gisèle Rabesahala moa dia zanaka miaramila frantsay, teraka tany ampitan-dranomasina, avy aminsquowhawydny fianakaviam-be nahatokisansquowhawydi Frantsa hatrany am-piandohansquowhawydny fanjanahana ansquowhawydi Madagasikara, dia ny taranaksquowhawydi Rainizafimanga.
    Farany, ny antsoina hoe «Groupe dsquowhawydÉtudes Communistes» (GEC) ambany fitantanansquowhawydi Pierre Boiteau no namolavola ny fijoroansquowhawydny PADESM. (Parti des Déshérités de Madagascar). Mbola mazava ihany koa eto ny «Kômonista » fiaviansquowhawydny « famaritana » hoe « Déshérités ».
    Koa raha hitodika aminsquowhawydny « Menavazana » isika dia izao no tena heviny: Ivelansquowhawydireo manantena ny «hihinana pension kely» sitransquowhawydny ahay, ka tsy tena namansquowhawydny mpitonona ho tena « mpikomy », dia tsy inona tsy akory izy ireo fa ireto mpivarotra tanindrazana avy aminsquowhawydny JINA sy ny PANAMA nokaramainsquowhawydny Fanjakana frantsay hampirisika ny Vahoaka hikomy taminsquowhawydny anaransquowhawydi Dr Ravoahangy sy Dr Raseta ary ny MDRM mba hahazoany mandevina tanteraka ny fitakiana ny fiverenansquowhawydny fahaleovantenansquowhawydi Madagasikara aminsquowhawydny fomba ara-dalàna, tsy mampiasa hery setra, sy mandrava ny MDRM, ary mampakatra ny PADESM(mandraksquowhawydankehitriny ainantsika izao!).
    Efa fantatra hatry ny ela ireto Voanjo Frantsay nanefy ny lefona-notombohana hoe MDRM- sy nampizara antsy be sy famaky, izay natao ho fiadiansquowhawydny « Mpitolona Menavazana» ! Ny Vahoaka no noporetinsquowhawydireo « mpitolona menavazana » mpikomy sandoka fa tena mpamadika tanindrazana, hanaraka azy tany anaty akata sy tany ansquowhawydala, ka novonoiny raha vao nandà! Ireo vahoaka ireo no nolazaina avy hoe fa « mpikomy » rehefa nasaina nanao « soumission ». Fandripaham-bahoka tambabe (GÉNOCIDE sy meurtres de masse) , FIKOMIANA FRANTSAY, ny 29 Martsa 1947 ka anjaransquowhawydny taranaka mandimby no manenjika ny Fanjakana frantsay hatraminsquowhawydny farany ny aminsquowhawydizany , satria HELOKA BEVAVA AMINsquowhawydNY ZANAKsquowhawydOLOMBELONA tsy misy fahafahana aminsquowhawydny fanarahana azy (« crime contre lsquowhawydhumanité, imprescriptible »).

    3°- « Taminsquowhawydny 1972 manko raha nanome ny fahefana ny Jly Ramanantsoa ny filoha Tsiranana taminsquowhawydny 18 mey 1972, ny tao an-tsainsquowhawydny filoha, araka ny fijeriko azy dia karazana praiminisitra ihany ny Jly Ramanantsoa… »

    I Tsiranana dia sady prezidansquowhawydny Repoblika no Lehibensquowhawydny Governemanta [chef de gouvernement, na karazana praeministra izany]. Ny fahefany aminsquowhawydny maha-chef de gouvernement azy no nafindrany taminsquowhawydny jeneraly Ramanantsoa izay nanangana governemanta ARA-DALÀNA vaovao. Tsara no mampahatsiahy kely eto fa ny jeneraly Andriamahazo angamba no tao an-tsainsquowhawydi Tsiranana satria izy notendreny ho «gouverneur militaire» teto Antananarivo. Ny jeneraly Ramanantsoa kosa moa efa hanainga hody any Frantsa hisotro ronono ary efa nampanomana ny tranony tany am-pita. Ary satria hanolo vonjy maika ny Lalàm-panorenana velona no hevitry ny governemantan-dRamanantsoa fa tsy hoe hanala ansquowhawydi Tsiranana aminsquowhawydny maha-prezidansquowhawydny Repoblika azy tsy akory!- dia nampanao «referendum» ny aminsquowhawydizany izy. Tsy marina loatra izany ny hoe : «Rehefa nilamindamina ary ny hetsiky ny mpianatra lasa hetsi-bahoaka dia notakiansquowhawydny filoha Tsiranana tamin-dRamanantsoa aminsquowhawydizay ny fahefana»
    Ambonin’izany noho izy nampanao «TSIA» dia nametra-pialàna avy hatrany i Tsiranana (aminsquowhawydny maha-demôkraty ahy, ho izy) NA DIA TSY VOATERY NIALA AZA IZY- satria naharesy ny «ENY»
    .

    4°-« Olona roa anefa no tena nisongadina taminsquowhawydireo mpikambana tao aminsquowhawydny governemanta dia ny minisitry ny atitany ny Kolonely Ratsimandrava sy ny minisitry ny raharaham-bahiny ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier. Hita mihitsy fa nifaninana haka ny fonsquowhawydny olona (mety ho efa nikendry sahady ny hitondra firenena aoriana izy mirahalahy ireo)… »

    Nisy ansquowhawydi Albert-Marie Ramaroson, ministry ny Vola sy ny Ekônômia, koa izay nandeha nifampiraharaha taminsquowhawydny Frantsay ny aminsquowhawydny fanovàna ny Fifanekena Fiaraha-miasa aminsquowhawydi Frantsa. Io moa dia nanaovan-dRatsiraka sinema-be niaraka taminsquowhawydny Frantsay mpanjanan-tany manana tombon-tsoa eto Madagasikara. Zavatrsquowhawydiray toa tsy voatandry ny olona loatra taminsquowhawydizany angamba dia hoe: Ratsiraka Albert, rain-dRatsiraka no fantatra hoe «bourreau de Moramanga» ka mpanenjika ny vahoaka MDRM tany Moramanga taorianansquowhawydny 29 Martsa 1947. Ary ny rafozan-dahiny, Pascal Velonjara, PADESM nifaninana foana taminsquowhawydny MDRM taminsquowhawydny fifidianana ho depiote, saingy resy lava, no natolotry ny fanjakana kôlônialy ho depiote hisolo ny olom-boafidy MDRM taminsquowhawydny 1951. Koa nilainsquowhawydny Frantsay mpanohana an-dRatsiraka ny mba hampitafina azy akanjona tia tanindrazana madio sy henjana («pur et dur nationaliste»): ny fialana taminsquowhawydny Fari-bola Franc» (Zone franc), -izay hany tena tombontsoa tokana nilaina ny fiarahana taminsquowhawydi Frantsa- sy ny fanakatonana ny toby frantsay teto Madagasikara no endriksquowhawydizany «akanjo» izany. Nahazo vahana i Ratsiraka taoriansquowhawydny nahafatesansquowhawydny prezidà frantsay Georges Pompidou taminsquowhawydny Aprily 1974 ka nodiasansquowhawydi Valéry Giscard dsquowhawydEstaing: ny fianakaviansquowhawydny rahavavim-badinsquowhawydi GiscardsquowhawydEstaing -Simone Darde- dia sakaizam-ben-dRatsiraka, izay zanaka an-tranony fony i Ratsiraka tany aminsquowhawydny sekoly miaramila tany Frantsa.
    Angamba nahadiso fanantenana ny Frantsay ny kôlônely Ratsimandrava izay zanaka PADESM ihany, kanefa tena nikatsaka ny fanavaozam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka taminsquowhawydny fananganana ny rafitra fokonolona sy ny fanadihadiana ny momba ireo orinasa voay bensquowhawydny mpanjanantany toy ny Compagnie Marseillaise de Madagascar sy ny Compagnie Lyonnaise, sns.

    5° « Taminsquowhawydny 1973 dia velona ny fanenjehana ny Merina tany Toamasina ka nahatonga an-dRazanamasy Guy Willy voatery nifindra teto Antananarivo ohatra… »

    Fihantsiana avy aminsquowhawydny vadin-dRazanamasy Guy, mpampianatra tany Toamasina, no nampirehitra ny fanenjehana efa maty paika ny Merina tany Toamasina. Ninia nampiasa teny Betsimisaraka iray manatsizarizary ny mpianany Ramatoa Razanamasy ka nahatezitra azy ireo. Ny tatitra manaraka ataonay kosa dia avy amina olona akaiky dia akaiky ny fitondrana taminsquowhawydireny fotoana ireny, koa tsy hainay na mitombina na tsia.
    -Araka ny fanadihadiana nampanaovy ny kôlônely Rabetafika «Directeur du Gouvernement» (saika karazana praeministra izany», dia i Étienne Ratsiraka, rahalahinsquowhawydi Didier Ratsiraka, sakaizan-dRazanamasy Guy, no tao ambadiky ny fandrehetana adim-poko tany Toamasina sy ny fanenjehana Merina, ka niomana ny hampisambotra azy izy
    -Nihazakazaka nody avy any ivelany i Didier Ratsiraka, nandeha alahady maraina tany aminsquowhawydny fonenansquowhawydny jeneraly Ramanantsoa (Faravohitra), nanao «tenue n°1», ka nangataka ny famelana ny rahalahiny, ary nanome toky ny jeneraly fa tsy avelany hamerina izany intsony («Parole dsquowhawydofficier»). Ary satria moa ramatoa vadin-dRamanantsoa angaha nankamamy an-dRatsiraka dia namporisihany ny jeneraly hamela ansquowhawydi Étienne Ratsiraka

    6°- « Nisahotaka hatrany ny faritra maro ka tsy tanansquowhawydny jeneraly intsony ny fitondrana, nikomy rahateo ka namahatra tao Antanimora ny FRS (Forces Républicaines de sécurité) izay niova anarana ho GMP na Groupe Mobile de Police, naleony nampitaina tany aminsquowhawydny iray aminsquowhawydizy mirahalahy ny fanilo. Ny hitantsika moa dia ny KOlonely Ratsimandrava no nandray izany. Tsy ampy herinandro anefa dia efa nisy nandaboka io lehilahy io. Noho ny tsy fisiansquowhawydny mpitondra mivantana dia voatery noraisinsquowhawydny Miaramila ny fahefana. Izany hoe satria tsy misy mpitondra intsony ny firenena vao nijoro ny Miaramila (Directoire Militaire), ary hitantsika fa tsy mbola tia loatra izany hoe manongam-panjakana izany ny miaramila malagasy aloha… »

    Nisy tetika maromaro hamonoana ny jeneraly Ramanantsoa sy hanonganana ny governemantany nandritra ny taona 1994, indrindra moa taminsquowhawydny 31 desambra, izay niafara taminsquowhawydny fitokonansquowhawydny ex-FRS tetsy Antanimora, ambany fitarihansquowhawydny kôlônely Bréchard, mpanolo tsainansquowhawydny jeneraly Ramanantsoa.
    Natolotry ny jeneraly Ramanantsoa an-dRatsiraka ny fitondrana fa tsy tantiny intsony ny fanozongozonana sy ny fandrahonana natao azy. Notakin-dRatsiraka ny fialan-dRatsimandrava aminsquowhawydny maha-lehibensquowhawydny Zandarimaria azy sady ministry ny Aty Tany, satria raha mbola mijanona aminsquowhawydireo toerana ireo izy dia rahampitso ihany dia ho voaongana izy, hoy, hono, Ratsiraka. Nolavin-dRatsimandrava izany fitakian-dRatsiraka mialoha izany, satria ny «governemantan-dRamanantsoa» iray manontolo no napetraky ny vahoaka tamin’ny « referendum » teo aminsquowhawydny fitondrana. Koa tsy nanaiky handimby an-dRamanantsoa I Ratsiraka. Noho izany dia ny kôlônely Ratsimandrava no notoloran-dRamanantsoa ny fahefana, ary dia izay no nahatonga ilay teniny malaza hoe «Tsy hihamboho adidy aho mon général»..
    Ny alinsquowhawydny Talata 10 Febroary 1975 mifoha Alarobia dia efa nikaon-doha tany aminsquowhawydny «Catalane»-Tobinsquowhawydny Zandary, AndrefansquowhawydAmbohijanary- ny manamboninahitra sy «mpanolo-tsaina pôlitika» borizano, handray ny fahefana haingana: Raha vao nandre ny famonoana an-dRatsimandrava manko ny jeneraly Ramanantsoa dia nitomany nigogogogo [izaho no tokony ho maty, hono, hoy izy] ary nikasa hiverina avy hatrany aminsquowhawydny fitondrana, saingy tonga dia NOSAKANANsquowhawydireto manamboninahitra teny aminsquowhawydny Catalane ireto. Natsangany faingana ny «Directoire militaire» ambany fitarihansquowhawydny jeneraly Andriamahazo hoe hisorohana ny adim-poko izay narangaranga foana aminsquowhawydny antony tsy mitombona sy natao biby fampitahorana mba HANAMARINANA ny FANONGANAM-PANJAKANA nataonsquowhawydireo manam-boninahitra ireo.

    7°- « Ny Kolonely Soja no nifaninana taminsquowhawydny Kapiteny Ratsiraka. Raha atao hoe samy nifidy ny vondrona nisy azy avy ny tao anatinsquowhawydny directoire dia tokony ho resinsquowhawydi Soja vato iray Ratsiraka… »

    Samy nandeha naka toky tany Frantsa tokoa i Ratsiraka sy Soja saingy

    (a) efa hatry ny ela no voaomansquowhawydny Frantsay mpanjanan-tany handray ny fahefana i Ratsiraka ary notohanansquowhawydi Giscard dsquowhawydEstaing, prezidansquowhawydi Frantsa, sy ny praeministra Jacques Chirac, mafy dia mafy, izy

    (b) I Soja kosa dia i Jacques Foccart sy ny Gaullistes no nantenainy, saingy tsy nanam-pahefana intsony izy ireo
    Koa very fanahy ny manamboninahitra Malagasy izay mbola mila sitraka sy toky any aminsquowhawydi Frantsa foana!
    Ny vatonsquowhawydny jeneraly ANDRIAMAHAZO no narotsany ho an-dRatsiraka satria nampanantenaina azy ny hampiarana aminy ilay SATA VAOVAO voa nolanina manome tombontso tsy hita velively ho ansquowhawydny «Filoham-panjakana» tsy amperinsquowhawydasa intsony, izay faransquowhawydizay tsy rariny ary tokony ho foanana aty aminsquowhawydny tany mahantra ohatransquowhawydi Madagasikara

    Farany: misy vavolombelona mbola velona mahalala tsara ny zava-nitranga taminsquowhawydny 1974-1975 toy : ny profesora Zafy Albert sy Rakotovahiny Emmanel mbamin-dRajakoba, ministra tao aminsquowhawydny governemantan-dRamanantsoa; ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona, Ramakavelo, Soja sy Andriamaholison, zandary niaraka tamin-dRatsimandrava, sns. sns.

  • Zaka Andriamiseza

    Fanitsiana momba ny lahatsoratra nataon’i Lysnorine (27/12/09): Andriamiseza Roger dia tsy nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny ady lehibe faharoa izany. Ho porofo tsotra dia vao 14 taona izy tamin’ny 1939 satria teraka tamin’ny 1925.
    Manantena aho fa tsy nahy no nahatonga an’io fahadisoana voalazan’i Lysnorine io fa tsy natao fanahiniana.
    Na izany na tsy izany anefa ny fisian’ny fahadisoana ohatran’izao dia mampieritreritra amin’ny fahamarinan’ny ambin’ny lahatsoratra.
    Andriamiseza Zaka, zanak’i Andriamiseza Roger.

  • lysnorine

    Ialan-tsiny indrindra ny nahavoatonona tsy nahy ny anaran-dRoger Andriamiseza niaraka tamin’ny an’i Monja Jaona ho an’isan’ireny Malagasy « indigène » (tsy « citoyen français ») nilatsaka an-tsitrapo ho miaramila frantsay tamin’ny taona 1939 raha nipoaka ny Ady Lehibe faha 2.
    Anaran’olon-kafa no tokony ho nipetraka tamin’io toerana io.

  • Ihaja ANDRIAMISEZA

    Misaotra indrindra an’iLysnorine tamin’ny finiavana hampatsiahy ny tantara,irariana indrindra ny ahamaripototra izay voalaza mba tsy handiso ny MARINA ,ka hanova ny zava-nisy;satria mahalasa saina ihany ny fahitana ireo HADISOANA MAROBE

  • Ihaja ANDRIAMISEZA

    Misaotra indrindra an’iLysnorine tamin’ny finiavana hampatsiahy ny tantara,irariana indrindra ny ahamaripototra izay voalaza mba tsy handiso ny MARINA ,ka hanova ny zava-nisy;satria mahalasa saina ihany ny fahitana ireo HADISOANA NAHY SY TSY NAHY

  • Bine Ramy

    Faly mamaky Malagasy mahalala sy mba mikatsaka hanangana ny TANTARAN ‘a i MADAGASIKARA
    Misy hono any ho any , avy any ivelany indrisy ,fanomanana boky kely Histoire vulgarisee ho an ny Zanantsika madinika -kilasy primaires izany angaha hoe –
    koa iangaviana isika MALAGASY mba hitandro ny fahamarinana momba ny tantara :OBJECTIVITE DE L HISTORIEN fa ireo diso ireo dia vay ankandriana sady maharary no mahamenatra
    Iza marin moa ankehitriny ny Malagasy afaka mijery ny tena ARCHIVES ? misy ve sa honohono fotsiny ?
    DINIHO

  • Manjakamiadana

    NY FAMINANIANA MIKASIKA NY TANTARAN’ I MADAGASIKARA:

    Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina dia nanontany an’ ireo mpanolotsaina hoe ahoana ny HO AVIN’ I MADAGASIKARA?

    Dia namaly izy ireo hoe:

    1- Aoriana ry Mpanjaka dia hitondra ny lahy (Radama I: 1810-1828),

    2- Avy eo dia hanjaka ny vavy (Ranavalona I hatramin’ i Ranavalona III: 1828-1896),

    3- Avy eo dia hitondra ny vazaha menasofina (fanjanahantany: 1896-1960),

    4- Avy eo dia hitondra ny mpanompo (rafitra repoblikana: 1960-2009),

    5- Avy eo dia hitondra ny sadasada (rafitra teteza-mita: 2009-2011),

    6- Dia HIVERINA AMIN’ NY TOMPONY (NY ANDRIANA) NY TANY SY NY
    FANJAKANA, IZAY VAO MILAMINA NY TANY ARY HANDROSO TOKOA I MADAGASIKARA!

    7 – Fehiny: Mizotra mankany amin’ izany Làlana izany ny Tantaran’i Madagasikara izao! Ny dimy amin’ ireo Faminaniana ireo no tanteraka ankehitriny. Dia hiditra amin’ ilay farany isika izao.

    Ary tsy misy olombelona na mpanao politika na firenena vahiny afaka hahasàkana ny Teny Fikasan’ Andriamanitra ho an’ i Madagasikara!

  • zo.zefa

    Misaotra ireo nandray anjara teto. Samy manana ny fijeriny marina, izaho aza moa mai 2012 vao mahavaky ireto hevitra tsy unilatéral marobe. Mankasitraka ny tsara ataon’ny rehetra. Misaotra fa mbola ho avy é!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.