Actualités,  Langue (Mg)

Izay tsy miady olom-bodo

Ohabolana malagasy ny hoe « Izay tsy miady, olom-bodo fa ny to fo mamosavy ». Fa mbola fomba fitenenana malagasy koa ny hoe « Manao vazaha mody miady ». Ilay voalohany milaza hoe olona adala izay tsy miady fa ilay mitana an-dolom-po no tsy mety. Ilay faharoa kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin’izay: rehefa miady dia miady fa tsy toa ny vazaha (hita amin’ny télé matetika… ohabolana vaovao io izany?) hoe milaza fa miady kanefa mifandray tanana ihany.

Eo amin’ny resaka politika anefa dia tena mirona tanteraka amin’ilay fitenenana voalohany ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Rehefa ady dia ady… ary matetika dia tsy ny hevitra intsony no toherina fa ilay olona sy ny maha olona mihitsy. Zary fifamotehana sy fifandrafiana mihitsy no vokatry ny ady ara-politika. Loza ho anao raha voatery milaza ny hevitrao ianao satria tsy maintsy ho lasa rafin’ireo tsy mitovy hevitra taminao ianao. Ary tsy mba ho rafy tsotsotra fotsiny fa harodany izay natsanganao, holotoiny ny mombamomba anao… izany hoe ianao mihitsy no ezahina hopotehina. Ary raha ohatra indray ianao miezaka mihavana amin’ilay olona nifanohitra taminao dia voasoketa avy hatrany ho « Mpamadika palitao ».

Akaiky fifidianana mantsy amin’izao fotoana izao, mafana ny fampielezan-kevitra. Dia efa tsy mifampiditra antrano sy mifampiahiahy sahady ny mpomba an-dRanona sy Ranona. Sarotra ny mody alina mandeha irery misalotra ny lokon’ny kandida tohanana… eny an-kianja miaraka amin’ny daholobe ihany no tsy matahotra manao an’ireny. Tanora mpiara-milalao manjary misy hoe izay Ravalo aty, izay tsy Ravalo ary… Mifangaro tanteraka amin’ilay hevitra tohanana ny mombamomba ny tsirairay. Izay olona rehetra miteny hoe manohana an-dRavalo, manjary voalaza fa « nisotro ny rononony »… ary ireo izay tsy manohana an-dRavalo dia sokajiana ho ex-Arema ihany.

Soa ihany fa mbola roapolo andro aorian’ny fifidianana ny krismasy, mety ho hadino tsikelikely ny disadisan’ny propagandy. Raha tsy izany angamba dia hisy mpiandry ondrin-dRavalo sy mpiandry ondrin-dRatsirahonana

3 commentaires

  • lova

    Manao ahona Hery,
    Lala dia lala tokoa izany evitrao izany. Mety tsy mbola vonina amin’ity resaka demokrasy ity angamba itsika.
    Ilay lahatsoratra ity post ity dia nieveroko fa momban’ blaogosfera ilay tantara 🙂
    Veloma indray.

  • hjk

    Marina mihintsy ny voalazanao. Tena manahirana tokoa ity resaka politika ity, ary na hiteny azy fotsiny aza dia mila havadibadika in-pito ny lela sao dia manimba fihavanana.
    Raha mba izao no nanana ny peninao dia faly aho satria hainao tsara ny mamoaka hevitra mazava – sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny eroa –
    Mahafinaritra ny lahatsoratrao 🙂
    P.S Ny ankizy mpianatra aty « Marsay », izay mpamonjy fialan-tsasatra faran’ny taona any Madagasika dia tsisy mody nohon’ny fatahorana korontana mikasika ity resaka fifidianana voalazanao tetsy ambony ity 🙁

  • Malagasy aty California

    Hello Hery,
    Tonga soa eto @ Malagasy Miray. 🙂
    Io resaka io dia azo lazaina fa mitovy ny « reaction »-ny isika Malagasy raha ampitana aminy resaka maro afa: « religion », « gay community », « globalisation » etc… Ny tiako tenina dia sarotra be mihintsy ny miady hevitra rehefa « marina » sy « diso » na « with » or « without » noho hitondrana ny resaka.
    Soa ihany fa tsy « black and white » ny fiainana fa « multicolor ».

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.