Malag@sy miray ?

Tsy ity no blaogy Malagasy voalohany ary tsy ho farany koa.

Ny mampiavaka azy ?
Blaogy iombonana ahitanao lahantsoratra samihafa, nosoratan’ny Malagasy teratany sy Vazaha zanatany izay samy mitepo fitavana an’i Madagasikara, miely amin’ny lafy valon’izao tontolo izao.

Ny antom-pisiany ?
– Ho toerana itarafana ireo hevitra maro samihafa mikasika [akaiky na lavitra] an’i Madagasikara sy ny Malagasy.
– Hahamora ny fandinihan’ny mpamaky ireo lahantsoratra miparitaka amin’ny blaogy samihafa anefa samy mitondra ny anjaram-birikiny.
– Kianja tokana, mpanoratra maro samihafa. Fampahalalana ireo mpanoratra samihafa mandray anjara sy ireo blaoginy.
– Marihina fa misokatra hoan’izay tsy mpitoraka blaogy koa ny fanoratana lahantsoratra [vangio fisoratana anarana / adhésion].

Blaogy iombonana, inona no ho hita ato ?
Samy tompony avokoa ireo mpandray anjara, mpanoratra, mpamakafaka, mpamaky tsotra. Ny fanamby ataontsika dia ny hampiantrano amin’ity kianja ity ireo loha-hevitra rehetra tsy an-kanavaka [vangio fitsipika ifampitondrana / charte].
Mazava ho azy fa izay ambaran’ny lahantsoratra tsirairay sy ny safidin’ny loha-hevitra voaboasiny dia mitaratra ny hevin’ny mpanoratra samirery, ny maha-izy azy, ny talentany sns …

Ny tanjona ?
Hifanentana bebe kokoa ireo hevitra miposaka …
… ao anatin’ny fifanajana hatrany !

Malag@sy miray, lahantsoratra amin’ny teny Malagasy, Frantsay sy Anglisy.

2 Comments Already

  1. Mbola hisaorana indrindra ianao :)

  2. Tsisy lil’lil marina e 😀

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *