Manao ahoana daholo tompoko ô!Ity misy tononkalo zaraina…inona ary no tian’ny mpanoratra lazaina?

Mangatsiaka indray ny andro
Mora dila ny hazavana
Nefa izy ao am-ponao mitondra hafànana

Feon-kira no mandravaka
Ilay fotoana tena miavaka
Ka enga anie tsy handalo tsy handalo fotsiny ihany

Fa faniriko raha eo foana ianao
Tiako loatra ny ho eo anilanao
Be fitiavana ianao, mpitondra hery vaovao
Fanomezan-dehibe sy fifaliana hafakely

Mahagaga ny hery entinao
Fihobiana no tanjakao
Ka mampahery ahy
Mambabo ny fanahy

Hirahira no mandravaka
Ity fotoana teny miavaka
ka enga anie ka tsy handalo
mba tsy handalo fotsiny ihany !
Fa faniriko raha eo foana ianao

Nolross.

Henoy: Andafy
[odeo=http://odeo.com/audio/2636873/view]

Andafy ……………………………………………………………………….